Mektoub Camille
Nanao ampamoaka
Nisongadina omaly teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny filazany fa volamena 50kilao isan’andro na 500 kilao isan-kerinandro no mivoaka eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Tamin’ny teny hentitra no nilazan’i Mektoub fa zotra mankany Kenya no mpitondra ny volamena avy eto Madagasikara, ary fianakaviana mpitondra no mamoaka ny entana ka tsy misy sahy manakana na misava. Rehefa mandalo ny entana, hoy izy dia maty noho ny antony tsy fantatra ny “scanner”. Momba izay harena ankibon’ny tany izay dia nambarany koa fa atao varoboba amin’ny Sinoa Ambatolampy, Ambositra, Nosy Varika, Mananjary, Marolambo, Ifanadiana. Takalon’izany, hoy hatrany i Mektoub dia ny fanamboarana ireo lalana sy ny seranantsambon’i Mananjary.
Teo amin’ny lafiny politika dia nampahatsiahy ilay dinika nokarakarain’ny Federalista farany teo indray i Camille Mektoub. Nambarany fa voasolotena tao avokoa ny Faritra 22 ary ireo mpizaika dia niray feo fa ireo filoha lanim-bahoaka telo mirahalahy no tokony hiaraka hitondra ny firenena ka i Andry Rajoelina dia tokony hiaraka hiala amin’ny tetezamita fa hatsangana ny tetezamita vaovao. Ny fampihavanana izay tarihin’ny Pr Zafy Albert no tokony handeha mialoha ny fifidianana, hoy izy. Fifidianana izay nolazainy fa tsy hisy raha tsy vita io fampihavanana io ary tafody Ravalomanana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.