Politique

Me Willy Razafinjatovo “Tandremo fa tsy ho eo mandrakizay ianareo”


  • Talata 01 Septambra 2020

Io tany io indraindray dia efa an’ilay orinasa, dia manorina trano eo dia trano eo izy, dia tsy manofa intsony amin’izay fotoana izao.

 

 

Misy kosa anefa, tahaka ny MBS sy ireo etsy amin’ny Esplanade Analakely, dia misy fifanarahana hanofana ilay tany. Ny fifanarahana na tiana na tsy tiana, rehefa natao sonia dia tsy maintsy io no arahina, fa tsy misy hoe izaho no be sandry, izaho no be mokondoha, izao no zanaky ranona, izao no manam-pahefana, izao mpanakarena ka azoko atao izay tiako hatao an’izao,… tsy azo atao izany, hoy ny Mpisolovava Willy Razafinjatovo na Olala omaly tamina haino aman-jery iray. Nambarany fa tsy maintsy ifanarahana ny fanovana ilay fifanarahana, raha misy tokony hovaina. Tsy manana fahefana ny iray hanafoana samirery, kanefa ny iray tsy manaiky akory. Farafaharatsiny tsy maintsy mandalo fitsarana aloha hoe inona ao anatin’ny fifanarahana no tsy tanteraka sy tsy nataon’ny anankiray. Ny kaominina Antananarivo na hiodin-ko vy na hiodin-ko vato, eny fa na nanome rariny ny kaominina aza ny Prefe. Fa angaha prefe Mpitsara, fahefana avy aiza no hanaovany izany. Ny “bail emphytéotique” na fifanarana tsotra, dia tsy azo atao mihitsy ny manao tsinontsinona an’io zavatra io, hoy izy. Miampy “bail commercial” dia vao mainka ho tantara ny miady amin’io ny manalanala olona fahatsany. Aoka etsy, fa izay mpanitsakitsaka lalàna ankehitriny, ka tandremo fa tsy hoe ho eo mandrakizay ianao, fa misy fetrany ny fahefana sy ny hetraketraka atao aman’ny olona. Raha mpanitsakitsaka ianao dia tsy maintsy ho voahitsakitsaka, ary voa tsaratsara kokoa noho ny sasany ianao ka tandremo tsara, hoy ny Mpisolovava Willy Razafinjatovo. Hafatra toa miantefa amin’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina sy ny fanjakana manontolo.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT