Naneho hevitra momba ny raharaham-pirenena ny Mpisolovava Willy Razafinjatovo,
nandritra ny fivahinianany tao amin’ny Real Tv Madagascar omaly alina. Manoloana ny tetikasa sy ny heverin’ny mpitondra fa fampandrosoana, dia nambarany, fa zavatra misavoana fa tsy miantraika any amin’ny fiainan’ny olona no misy. Jereo tsara izay tena laharam-pahamehana. Inona no tena ilain’ny olona dia izay no ataovy? Asa hoe iza no manolo-tsaina ny filoha sa ve ny filoham-pirenena mihitsy no mafy loha? Ataovy ilay izy mba ho lova ho an’ny taranaka any aoriana. Mila zavatra mivaingana sy mitoetra ny olona fa tsy zavatra mandalo dia lasa, hoy ity Mpisolovava ity.
“HO POTIKA EO IANAO VAO MIDITRA AMINA RA MANDRIAKA” “Tena nitomany aho nahita an’iny mpianatra maty voatifitra iny, nahoana no vonoina ny zanantsika ? Mitaky ny zony ve izy dia tifirina ? Mba mitaky ny zony ilay ankizy dia hovonoina”, hoy i Me Olala momba ny zava-niseho tany Toamasina ny 18 febroary. Mikasika ny politika sy ny hetsika samihafa, nanomboka ny taona 1972 dia nisy fatiolona foana ny hetsika ka tsy maintsy ho tonga amin’izany sy hohamafisina foana ve ny toy izany? Raha mbola misy fifandirana ka tsy misy fifampiresahana ahafaha-manitsy ny tsy mety dia miafara amin’ny tahaka izany. Inona no tsy hifampiresahana fa tsy hoe omeko tsy omeko? Aza miditra amina fatiolona, aza manao vinany fa hopotehin’ny vahoaka ianao”, hoy hatrany i Me Olala. Raha izaho no filoham-pirenena dia mivory miaraka amin’ny mpanohitra aho farafahakeliny indray mandeha isaky ny roa volana mba hakako ny hevitr’izy ireo, mandeha ho azy ny fitantanana ny firenena raha izay no atao fa tsy hifananejika lava eto, hoy ity mpisolovava ity. Niantso ireo karana tompon’ny tany eny Soamandrakizay izy, ary naneho fa ny vadiny dia karana, ary izaho tsy hoe tsy tia Karana izany fa rehefa nanome ianareo dia manomeza, avelao ny mpanohitra hampiasa ny tany malalaka eny Soamandrakizay. Marina fa hoe ankehitriny mety miaraka amin’ny fitondrana Rajoelina izy ireo fa io tsy hijanona eo mandrakizay fa tsy maintsy hiova, hoy hatrany i Me Olala.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.