Politique

Me Olala – Raharaha Apollo 21 “Manahy izahay fa tsy hivoaka ny fahamarinana”


  • Talata 07 Desambra 2021

Ora 5 sy sasany teo no lany namakiana ny fiampangana ireo voapanga tao anatin’ny raharaha Apollo 21 na ny fikasana hamono ny filoham-pirenena tetsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy omaly.

 Nanomboka tamin’ny 10 ora ary tsy nifarana raha tsy tany amin’ny 12 ora sasany tany ho any ny famakiana izany tamin’ny teny Malagasy ary na dia nangataka ny tsy hisian’ny famakiana izany tamin’ny teny frantsay aza ireo mpisolovava dia nangataka ny hanaovana izany kosa ny lehiben’ny fitsarana noho ny fisiana vahiny tafiditra ao anatin’ity raharaha ity. Lany teo noho izany ny lera ary dia notapahana fa ho tohizana amin’ity anio ity ny fitsarana ity raharaha ity. Tsy mbola nisy didim-pitsarana nivoaka, raha ny nambaran’ny mpisolovava Willy Razafinjatovo na Maitre Olala, hatreto. Mbola nitaky ny handefasana mivantana amin’ny haino aman-jery rehetra moa ity mpisolovava ity. Olona miisa 100, hoy izy, raha be indrindra no atonona ny efitrano fitsarana ka ireo ve no hitantara amin’ny vahoaka manontolo ny zava-nisy marina mikasika izao raharaha izao? Sarotra izao ny raharaha satria rehefa tsy misy mangarahara dia moramora ny manindry bokotra ary mampalemy ny fitsarana izao satria tsy mahaleo teny izy fa voatery manaraka ny baiko any. Matahotra izahay fa tsy hivoaka amin’ny fahamarinana izao raharaha izao fa kononkononona fotsiny, hoy hatrany ny tenany. Isan’ireo fiampangana voalaza moa ny fikononkononan’olona miaraka na “association de malfaiteur” hamono ny filoham-pirenena sy sy fikononkononana hanongam-panjakana, hoy hatrany ny fanazavana. Akanga ve anefa, hoy ny Maitre Olala, ny filoham-pirenena no ho vonoina amin’ny basim-borona satria izay no tratra tao?
J. Mirija
Legende: Ny Maitre Olala, teny amin’ny fitsarana omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT