Politique

Me Hery Rakotomanana Tsy marisika amin’ny hanovana endrika ny CENI ?


  • Talata 21 Desambra 2010

Anisan’ireo rafitra najoro tao anatin’ny fitondrana Fahefana Avon’ny Tetezamita ary hita any anatin’ireo karazana fifanarahana politika natao tany ivelany (Maputo) sy teto an-toerana ny Vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana na CENI.

Raha ny endriny amin’izao fotoana aloha dia tsy mbola ahitana taratra ny hoe fiaraha-mitantana mihitsy ny CENI, ary raha nandalo teto amintsika nandritra ny herinandro ny iraka manokana avy amin’ny SADC notarihan’Atoa Leonardo Simao dia nanambara fa tokony hokitihana ny firafitry ny CT sy ny CST ny governemanta ary ny CENI. Koa manoloana izany dia nilaza Atoa Hery Rakotomanana filohan’ity Vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana ity fa tsy sanatria hidongy toerana izany mihitsy izy sy ny mpiara-miasa aminy, fa rehefa hifanarahan’ny besinimaro fa ovaina endrika ny CENI dia azo tanterahana tsara izany, raha toa ka izay no hahatsara zavatra. Tsy toeram-boninahitra hanangonan-karena akory no misy anay fa asa goavana sy makadiry ho an’ny firenena. Nisarika ny sain’ny rehetra kosa anefa izy ary nilaza fa ho voahaja ve ilay datin’ny 16 martsa hanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka raha toa ka hokitihana na ovaina endrika ny CENI, amin’ny volana janoary ohatra. Azo antoka mantsy, hoy i Hery Rakotomanana fa raha vao miova ny aty amin’ny foibe dia tsy maintsy hiova ihany koa ny firafitr’ireo masoivohon’ny CENI any amin’ny distrika, ka mety mila fotoana elaela ihany izany. Koa raha izany fanazavana izany no dinihana tsara dia tsy dia marisika firy amin’ny hikitihana indray ny endriky ny CENI amin’izao fotoana ny filohany, fa kosa tsy mandà ny fanatsarana tokony hatao, anisan’izany ny fidiran’ny mpanohitra ao amin’io rafitra io.

RTT
Sary : Maître Hery Rakotomanana, filohan’ny Vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana (CENI)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT