Politique

Me Hanitra Razafimanantsoa Ny fampodiana ny Filoha Ravalomanana no nidirana andrim-panjakana


  • Alatsinainy 12 Novambra 2012

Mikasika ny filazana hoe tapitra ny 8 novambra 2012 ilay daty tokony hodian’ny olona any ivelany raha te hilatsaka ho fidiana izy dia tsotra be ny havalin’ny Ankolafy Ravalomanana an’izay hoy i Me Hanitra Razafimanantsoa filoha lefitry ny Filankevitra Ambonin’ny tetezamita : ny tondrozotra izay efa lasa lalàna ary fototra mitantana ity tetezamita ity ankehitriny, izay milaza hoe mody an-tanindrazana tsy misy fepetra ny Filoha Marc Ravalomanana, dia tsy mbola notanterahina amin’izao fotoana izao.

Ka iza, hoy izy, no tokony hotanterahina mialoha ny fanajana ny lalàna mikasika ny fifidianana izay ho filoham-pirenena izay ? Ny tondrozotra aloha, hoy ny valin-teny nomeny avy hatrany ihany, no tanterahina dia ny lalàna manaraka rehetra ireo hatramin’ny fotoam-pifidianana aza dia azo amboarina daholo. Tsy ny Prezidà Ravalomanana, hoy izy, no mandà tsy hampihatra ity tondrozotra ity fa ny andaniny izay manana tombontsoa manokana amin’ny hoe tsy hilatsahany hofidiana ka mandà mafy an’io fiverenany io. Raha fehin’izay dia lazaiko etoana, hoy ny Me Hanitra, fa rehefa tsy tanterahina ny voalazan’ny tondrozotra dia sarotra ny hanatanteraka ny lalàna mikasika ny fifidianana ny ho filohan’ny Repoblika.
 
Mikasika ny hoe mpikambana ao amin’ny parlemanta mivory etsy sy eroa dia nanambara ity filoha lefitry ny CST ity fa ireo mpiara-mitolona sy mpitarika ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana amin’izao fotoana izao dia tsy manana tanjona afa-tsy tokana anankiray raha niditra tao amin’ny rafi-panjakana ankehitriny izay tsy inona fa ny fampodiana ny Filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana sy hanatanteraka ny tolona izay nimatimatesana tao anatin’ny telo taona mahery izay ka «hamafisiko eto fa ny Ankolafy Ravalomanana, indrindra ny Tiako i Madagasikara dia tsy manana afa-tsy ny Prezidà Marc Ravalomanana ho kandidà tokana amin’ny fifidiana ho filoham-pirenena». 
 
Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT