“Mody, mody, mody !”. Nanakoako teny amin’ny Kianjan’ny Magro izany teny izany ny sabotsy lasa teo.
Tonga ihany ireo nandrasana, hoy ny Me Hanitra Razafimanatsoa izay nanamafy fa efa azo fa tsy takiana ny fiverenan’i Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana ary tsy ho ela izany. Anisan’ireo delegasiona nihaona tamin’ireo iraka miaramila, nanao ny tombana eo amin’ny lafiny fandriampahalemana ny ankolafy Ravalomanana. Araka ny fanazavana dia fanontaniana telo no napetrak’ireto iraka ireto, toy ny fiarovana ny ain’ny filoha teo aloha sy ny fianakaviany, ny filazana fa mety hiteraka korontana ny fahatongavany eto. Nambaran’ny ankolafy Ravalomanana fa tsy miandrandra miaramila na mpitandro ny filaminana gasy izy ireo ho an’izay fiarovana ny ain’i Marc Ravalomanana izay saingy vitan’ny ankolafy kosa anefa izany.
Efa noporofoina in-droa niantoana, hoy ihany ity mpisolovava ity fa tsy nikorontana ny ankolafy Ravalomanana sy ny mpanaradia azy na dia teo aza ny fahatezerana sy ny fahadisoam-panantenana tamin’ny nanakanana ny filoha Ravalomanana tsy hody an-tanindarzana ny volana janoary 2012 lasa teo sy ny namerenana tamin-kery an’i Lalao Ravalomanana. “Izahay tsy hanaiky na oviana na oviana raha tsy mody ny filoha Marc Ravalomanana”, hoy ihany izy izay nanao antso avo manokana amin’ireo mpitandro ny filaminana vonona handala ny ara-dalàna, te hiaraka hiasa ary mitaky ihany koa ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana eto an-toerana. “Mitsangana ianareo ary asehoy anay fa izay no andrasanay izao”, hoy izy. Tsy vitsy ireo mpitandro ny filaminana ireo. Fotoana izao isehoanareo mivantana amin’ny Malagasy, hoy izy. Tetsy andanin’izany koa dia niantso ireo mpitandro ny filaminana mpomba ny FAT ity mpahay lalàna ity mba hisinda amin’ny asa nampandraiketina azy ireo. Raha ny lalàna, araka ny fanazavany dia tokony hametra-pialana amin’ny maha miaramila azy ireo nomena andraikitra politika satria tsy azo afangaro izany.
Nilaza koa ny tenany fa afaka mijoro milaza fa “ny filoha Marc Ravalomanana dia tsy hanao valifaty izany”. Mibaribary izao, hoy i Me Hanitra Razafimantsoa fa misy olona misandoka milaza ho mpitondra tenin’ny mpitandron’ny rehetra. Nambarany ihany koa fa fanamby ho an’ny mpitandro ny filaminana ny fiarovana ny vahoak asy ny fananany kanefa hatreto dia tsy nahavita io iraka nampanaovina azy io ny mpitandro filaminana gasy saingy niavaka kosa tamin’ny fanenjehana sy ny famoretana ny mpanohitra. Ankoatra izay dia nanentana ireo mpiara-dia amin’ny ankolafy Ravalomanana koa ny Me Hanitra amin’ny fiomanana amin’ny fifidianana. “Mandraisa andraikitra manao fanisana dieny izao fa izao no fotoana hanombohan’ny hala-bato”, hoy izy. “Olona tokana ihany no arotsatsika amin’ny fifidianana dia ny kandida Ravalomanana”, hoy ity farany. “Tsy maintsy milatsaka izy na inona na inona ka alatsaho daholo ny anareo fa ny anay iray ihany dia Ravalomanana Marc”, hoy ihany ny Me Hanitra Razafimanatsoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.