Politique

Me Francesca, zanaky ny depiote Hanitra Natao maimaika ny fitsarana azy teny Anosy


  • Talata 23 Febroary 2021

Sazy mihantona 3 volana noho ny resaka faniratsirana mpitandro ny filaminana am-perinasa,

 lamandy 50 000Ar noho ny resaka fitondrana zava-mahadomelina. Io ny didim-pitsarana nivoaka omaly taorian’ny fiakarana fampanoavana sy fitsarana natao tamin’i Me Francesca Razafimahefa, zanak’i ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa. Raha hiverenana fohifohy ny tantara dia nosakanan’ny zandary teny amin’ny paositra Ampitatafika izy ireo ny sabotsy 20 febroary hariva teo, ary nentina tao nosavaina. Voalaza fa tsy nahitana na inona na inona. Nandeha nisolo « serviette hygiènique », ary rehefa nivoaka avy tao dia nambara fa nisy rongony nambara fa azy tao, rehefa nisy zandary niditra tao amin’ilay «toilette», hoy ny fanazava’ny reniny. Nanitritrikitrika kosa ny zandary, fa nitondra rongony ity zanaka parlemantera ity. Ny somary nahagaga tamin’ity toe-javatra ity, dia voalaza fa efa nisy mpanao gazety niantrana sy vonona teny an-toerana, izay nahatonga fanehoan-kevitra samihafa, fa zavatra efa namboarina na « coup monté ». Zandary nirongo basy no nitondra azy nakeny amin’ny Fitsarana omaly rehefa notazonina 48 ora teny Ankadilalana. Tonga niaro ity mpisolovava ity moa ireo mpisolovava namany omaly. Hampiakatra ny raharaha izy ireo noho ny tsy fahafaham-po, raha ny nambaran’ny mpisolovava Hanitra Razafimanantsoa.

HAFAHAFA…

Nialoha io didy io, dia toy izao ny fandalinana avy amina mpitsara iray nisafidy ny tsy hitonona anarana. Vao mainka nanao fahadisoana tamin’ity raharaha ity izay nisy ny « comparution immédiate », hoy izy. Voalohany, raha hatao « sursitaire » na sazy mihantona io, dia hiboridana hoe fitsarana natao antematemaka sy novonjivonjena fotsiny. Nahoana ny aferan'olona hafa anefa no tsy voatsara? Faharoa, Raha natao “Relaxée au benefice du doute” na nafahafana noho ny fisalasalana, dia fa zavatra namboamboarina. Raha fanamelohana miaro fanagadrana, dia voaporofo fa herim-pamoretana no misy, ary raha “peine d'amende ferme” dia ho voakiana be hoe fitia te hanenjika fotsiny. Ny tokony ho natao dia nalefa malalaka aloha, ka nolazaina fa mbola misy fanadihadiana lalina natao, raha tena mitombina ny vesatra, hoy ny fanazavana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT