Politique

MDM Ny fifidianana filoham-pirenena no tena maika


  • Talata 11 Janoary 2011

Mety tsara amin’ny vovonana MDM (Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara) tarihan’i Pierrot Rajaonarivelo, raha araka ny nambaran’ity farany ny fanemorana ho amin’ny fotoana manaraka ny fifidianana depiote saika notanterahana ny 16 martsa 2011 ho avy izao.

Fampiharana ny tapaka nandritra ny fihaonambem-pirenena ny amin’ny tsy hanatanterahana fifidianana ao anatin’ny vanimpotoanan’ny avy orana izany, hoy izy. Nanamarika anefa i Pierrot Rajaonarivelo fa na ahoana na ahoana dia vonona ny handray anjara amin’izay fifidianana mipoitra eo ny MDM tarihany. Natsidiny ihany anefa fa araka ny hevitra nijoroan’izy ireo hatramin’izay ary efa nambara nandritra ny fihaonambem-pirenena dia tsara kokoa raha fifidianana filoham-pirenena avy hatrany no hatrehina, taorian’ny nahalanian’ilay lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-IV. Izay no manaraka lôjika kokoa fa tsy ny fanaovana ny fifidianana depiote, raha araka ny nambaran’i Pierrot Rajaonarivelo ihany.

Soso-kevitra ihany anefa ny an’ny Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara, fa izay hevitry ny maro an’isa sy eken’ny rehetra ihany no tanterahana, satria izay no fanajana ny demokrasia, hoy izy nanohy ny fanazavany. Tsy mbola fantatra mazava aloha hatramin’izao hoe : rahoviana indray ny daty hanatanterahana ny fifidianana depiote, na dia efa nisy siosion-dresaka ny amin’izany ihany aza teny Mahazoarivo ny sabotsy lasa teo hoe mety ho amin’ny fiandohan’ny volana mey 2011 any ho any. Araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao azy dia mbola miandry indray ny mety ho tohin’ny asa fanelanelanan’ny SADC izay tokony hanomboka anio sy miankina amin’ny fahitan’ireo ankolafy politika ny marimaritra iraisana no hamaritana ny fifidianana hotanterahana manaraka sy ny daty mety hanaovana izany. 

RTT
Sary : Pierrot Rajaonarivelo, mpitarika ny vovonana Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT