Nanaovan’ny mpitandro filaminana bemidina ny tranon’i Mbola Rajaonah tetsy Ambohimahitsy ny marainan’ny sabotsy teo.
Tamin’ny 9ora dia efa rakotra azy ireo manodidina ny tanàna, ary tamin’ny 11ora no tonga ireo delegasionina izay niditra avy hatrany ny tanàna. Tsy fantatra mazava na iza ireo delegasionina sy ny nataony tao amin’ity tranon’ny mpanolotsaina manokan’ny filoha teo aloha ity. Ny iray tamin’izy ireo dia nanao akanjo « gilet » nisy soratra « Douanes ». Efa hatry ny ela no tsy nisy tompon-trano tao. Nampiseho taratasy ara-dalàna ireo olona niditra tao, ka tsy afa-nanoatra ny mpiambina. Tsy afaka niditra kosa ny mpanao gazety, ary tsy nisy namaly ny anton’ny fisavana ireo nanao izany teny an-toerana. Tsy vao izao no nisy ny fisavana fa nialoha ny 13 febroary 2019 nisamborana azy. Ny volana septambra 2019 dia nisy ny filazana avy amin’ny minisiteran’ny vola sy ny toekarena ka nambara nanao hosoka ara-ketra na “fraude fiscale” 11,317 miliara ariary ny vondron’orinasan’i Mbola Rajaonah. Vao ny faran’ny herinandro teo ihany koa no nanaovana bemidina sy giazana ny fananan’ny A&C Hotel an’i Claudine Razaimamonjy, izay voalaza fa tsy nahaloa hetra 5 taona miaraka amina sazy sy lamandy mifandraika amin’izany ka tafiakatra 59 miliara ariary ny vola ananan’ny fanjakana aminy. Mahatratra 75 miliara ariary ny vola takiana. Tena mitombina ve io ? Hatao lavanty amin’ny 4 martsa izao ny entana nogiazana, raha ny vaovao mivoaka. Tena resaka heloka ara-ketra tokoa ve ny fanenjehana ? Mitombina ve ireo vola be voalaza ? Sa noho ny tsy fananan’ny fanjakana vola no antony ? Ahoana ny momba ireo mpiasa ho very asa ? Hatreto dia samy any am-ponja i Mbola Rajaonah sy Claudine Razaimamonjy Malagasy mpandraharaha mpanefoefo niara-dia tamin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina.
Toky R sy J.Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.