Politique

Mbola Rajaonah Nesorina tao amin’ny “Lavaka be”…


  • Alarobia 06 Oktobra 2021

Ny 20 septambra no voalaza fa nihanarefo tanteraka ny fahasalaman’I Mbola Rajaonah, izay migadra ao Tsiafahy nanomboka ny 14 febroary 2019,

 iray volana latsaka taorian’ny fihanianan’ny Filoha Rajoelina. Voalaza fa tsy maintsy nopetahana “sérum” sy “oxygène” izy tamin’izany. Ankehitriny, voalaza fa mba efa nisy fivoarana kely. Efa nesorina tao amin’ny toerana maizina antsoina hoe: “lavaka be” ihany, koa ary sahanin’ny mpitsabo ao amin’ny fonjan’I Tsiafahy ny fitsaboana azy amin’izao fotoana izao, raha efa nisy ny fangatahana nataon’ny fianankaviany sy ny mpisolovava azy ny mba ahafahana mitsabo azy aty ivelany. Nilaza moa ny Minisitry ny fitsarana Atoa Imbiki Herilaza omaly, fa mitovy avokoa ny fitantanana ny gadra rehetra. “Manana voafonja 29 000 isika eto Madagasikara,, misy lalàna arahina, izahay tsy manavaka na manilikilika na iza na iza manokana. Misy mpitsabo ao, ary raha mila famoahana hivoaka ny fonja dia tsy ny Minisiteran’ny fitsarana no misahana azy, fa ny mpitsabo any amin’ny fonja, na mandalo amin’ny mpitsara miantsoroka ny raharaha. Raha misy dokotera mpitsabo azy manokana aty ivelany, dia afaka manantona mandeha mitsabo azy izy ireny”, hoy ny fanazavany. Raharaham-pitsarana 3 no hanenjehana azy, ary voalaza fa efa natsahatra ny fanenjehana azy tamin’ny taratasim-bola tsy misy anto-bola izay antony nanagadrana azy, raha ny voalazan’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Hatreto, tsy mahita mangirana ry Mbola Rajaonah, Rolly Mercia, Berija Ravelomanantsoa,… izay olon’ny HVM avokoa, izay azo antoka 90% fa mety aorian’ny fialan’ny fitondrana Rajoelina amin’ny fitondrana Rajoelina vao mety ho afa-bela. Tany Ambovombe, vao nisy ny fangatahana amin’ny hanafahana ireo olona nogadrain’ny fitondrana fa nanelingelina ny tetikasany, dia nanana hena-maso ny Filoha satria olobe no nangataka. Ny an’ireto olon’ny HVM ireto kosa na efa nanatsoaka ny fitoriany aza ilay lehilahy nanondro an’I Rolly Mercia dia mbola any am-ponja. Na efa latsa-dranomaso mitalaho amin’ny filoha eny amin’ny “plateau” an’ny televizionina aza ny renin’I Berija izay nogadraina tamin’ny facebook dia henoy izany ry hazon-damosiko no setriny avy amin’ny Fanjakana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT