Politique

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …


  • Talata 07 Aprily 2020

Re fa novaina ny toerana izay ipetrahan’i Mbola Rajaonah ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy.

 

 

 

Any amin’ny toerana mihiboka tanteraka ary tsy tongan’ny antso an-tariby sy ny tambajotran-pifandraisana no nametrahana azy, raha ny voalazan’ny loharanom-baovao. Nisy feo izay mandeha fa hoe niketrika fanonganam-panjakana ity mpandaharaha sady mpanolotsain’ny filoha teo aloha ity ary na dia tsy nisy porofo akory izany dia avy hatrany dia nohamafisina tanteraka ny fiambenana azy ao am-ponja. Mailo ny fanjakana, ka natoka-monina mba tsy hisy afaka mamangy intsony, na ny fianakaviany aza dia tsy afaka ny mijery azy, raha ny re hatrany. Andrasana izay mety ho fanamafisana na fandisoana an’izany avy amin’ny fitondram-panjakana satria resaka saropady ity raharaha ity. Raha tena mitombina tokoa izay resaka izay, dia midika fa tena mbola atahoran’ny fanjakana Malagasy mafy I Mbola Rajaonah na dia efa tamin’ny 13 febroary 2019 iray volana latsaka nitondran’ny filoha Rajoelina aza no nisamborana azy, ary nalefa tany am-ponja. Raha miverina kely amin’ny raharaha Mbola Rajaonah, dia nambara septambra 2019 dia nambara fa nanao hosoka ara-ketra 11,317 miliara ariary ny vondron’orinasan’ity mpandraharaha tanora, mpanolon-tsaina manokan’ny Filoha teo aloha Rajaonarimampianina ary naira-dàlana tamin’I Marc Ravalomanana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ity. Ny 29 febroary 2020 teo dia mbola nanaovana bemidina ny tranony tetsy Ambohimahitsy. Nafana tanteraka indray ny resaka sy ny dosie fanenjehana azy taorian’izay satria nambara fa ananan’ny fanjakana 1251 miliara ariary I Mbola Rajaonah noho ny tsy fandoavana hetra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT