Politique

MBOLA RAJAONAH Fa inona moa izany no tsy hitsarana azy ?


  • Alatsinainy 04 Aprily 2022

« Tsy misy teny ahafahako maneho ny fihetseham-poko, rotidrotika ny foko. Mitomany aho mivavaka, miantso vonjy mba ho an’ny vadiko.

Tsy anjely izy saingy laviko ny fanasokajiana azy ho olon-doza. Eny mety nanota izy,, mitovy amiko, mitovy amintsika rehetra. Ankehitriny, mangataka hatrany ny hisian’ny fitsarana tsy mitanila », hoy ny fitarainan-dRtoa Sitraka Rajaonah, vadin’i Mbola Rajaonah. Aminy sy ireo fianakaviana, ny vesatra hanenjehana ary indrindra ny mpisolavava, dia tsy mitraka fanamelohana ny vesatra, ary raha tena tsy maintsy hotsaraina sy melohina aza tsy mihoatra ny herintaona, kanefa efa telo taona mahery izao no nitazonana io mpandraharaha io. « Nambara fa heloka amin’ny fadin-tseranana na « Infraction douanière » ny dosie faharoa. Herintaona raha be indrindra ny ahafahana mitazona ilay olona amin’izany, efa namoaka didy ny “chambre de détention prévéntive” eo anivon’ny PAC ny 22 janoary 2022, fa tsy azo halavaina ny fitazonana, saingy nisy ny tsindry », hoy ny mpisolovava Eric Rafidison ny 11 martsa lasa teo. Tamin’ny alin’ny fisamborana, dia nilaza fa nisy olona ambony niantso. «Ny zavatra nolazaina ahy tamin’izay dia hoe asaivo mandoa vola 10 milliards Atoa Mbola Rajaonah dia tsy mifanala "plume" isika”, hoy io mpisolovava io. Tsy nanaiky izany anefa izy sy ny fianankaviana. Nisy ny horonam-peo azony momba io resaka io ary nalefany tany amin'ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Firenena Mikambana, ka mbola miandry ny tohiny.
TSY MISY HIDIRAKO, HOY I RAVATOMANGA
Ny zoma lasa teo, nilaza ny mpandraharaha matanjaka Mamy tsy avy aminy ny fanagadrana ity farany na ny nambarany. « Tsy misy hidirako ny fampidirana am-ponja an’i Mbola Rajaonah. Resaka kaontenera: vary, taratasin-gazety,… tsy nandoa hetra. Entana hafa no miditra, tahaka ny elekronika, maty antoka ny fanjakana. Tsy izaho no nanagadra azy, fa ny “infraction”, tsy afaka hibaiko ny fitsarana aho. Manoratra aty amiko tokoa izy, naharay taratasy roa aho, nifona, niala tsiny tamin’ny zavatra nataony, afaka mamela heloka azy aho, fa ny fitsarana… Tsy manana olana aminy aho amin’ny maha olombelona na betsaka aza ny zavatra nataon’ny tamin’ny fianakaviako », hoy izy. Ny heloka amin’ny fadin-tseranana izay sokajian’ny andaniny, fa tsy tokony hampigadra. Ity mpandraharaha matanjaka ity izay nivoy ihany koa tetsy ankilany, fa tsy tokony hifamotika ny samy mpandraharaha Malagasy. Fanontaniana mipetraka ankehitriny ny hoe : inona marina ary izany no mampitarazako ny fitsarana an’i Mbola Rajaonah ? Iza no manao izay hampitarazohana azy sy mandetika? Iza no mahazo tombotsoa amin’izany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT