Ny 19 janoary izao no hiditra amin` ny taona faharoa nitondrany ny firenena ny
Filoham-pirenena Andry Rajoelina. “Nametraka vinam-pampandrosoana izy ary nihazakazaka indrindra amin`ny fametrahana fotodrafitrasa samihafa”, hoy Imbiki Herilaza, sekretera jeneralin` ny minisiteran` ny Fitsarana raha nanontaniana ny heviny. Nambarany fa nanampy betsaka ny Filoha ny praiminisitra Ntsay Christian teo amin` ny lafiny maro: fitantanana raharaham-panjakana, fanadiovana ny fitantanam-bolam-panjakana, fitantanana fotodrafitrasa, sns… Ny ankamaroan` ireo mpikambana eo anivon` ny governemanta ihany koa dia nanao ezaka nanaraka ny dian` ny mpitantana na dia nisy aza no tsy naharahaka ny fomba fiasa. Teo ihany koa ireo teknisianina samihafa izay nanavao ny fomba fiasa napetrakin` ny filoha ka ireny no nahataraiky ny fanatanterahana ireo asa. Nilaza ity mpahay lalàna ity fa hivoka ny PEM (Plan Emergence Madagascar) izay eritreretina hatramin` ny taona 2023. Na izany aza anefa dia tsy maintsy manao tomban`ezaka lavitra ihany satria mety tsy ho vita ao anatin`ny roa na telo ny fanatanterahana ny famoahana an`I Madagasikara anaty fahantrana lalina. Notsipihany hatrany fa tsy maintsy manohy ny asa amin`ny fanodikodinam-bolam-panjakana sy ny ady amin` ny kolikoly ny Fanjakana satria ireny no mahatonga ny fahantrana. “Vola tokony andeha ho any amin` ny fampandrosoa sy hanaovana asa ireny saingy lasa tombon-tsoan` ny olon-tokana”. Notsindriany hatrany fa mila Fanjakana maodely eto amin` ny tany sy ny firenena ny vahoaka Malagasy. “Ny fitondran-tenan` ny mpitondra sy ireo olom-boafidy dia hitantsika fa miezaka mihenjana ny Praiminisitra. Raha mbola misy mania dia misy sazy avy hatrany. Any amin`ireo olom-boafidy kosa no mbola misy ezaka atao satria ny lohany ihany no arahin` ny vahoaka” hoy izy. Nanatitratitra ity tomponandraikm-panjakana ity fa “na tiana na tsy tiana latsaka lalina ny tany sy ny firenena. Betsaka ny asa ataon`ny fanjakana fa noho izay fahatrana lalina dia mafy no miala amin ilay izy. Mila miara-mientana dia mahita fampandrosoana. Mila mampiseho fa miasa ho an` ny vahoaka ny Fanjakana amin`ny alalan` ny asa mivaingana dia manaraka ho azy ny Malagasy” hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.