Politique

Maurice Beranto Hiala tsy ho mpanolotsain’ny PM ?


  • Zoma 21 Septambra 2012

Nanambara ny ho filatsahan-kofidiany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo i Maurice Beranto, filoha nasionalin’ny antoko FIDEM (Fiombonan'ny Demokraty Malagasy). Nandritra ny famelabelaran-kevitra nataony tao amin’ny Carlton omaly no nampahafantarany ofisialy izany.

 Anisan’ireo mpanao politika teo ambany elatry ny Profesora Zafy Albert i Maurice Beranto. Mpanolotsaina manokan’ny praiminisitra Beriziky Jean Omer izy. Mipetraka eto ny fanontaniana amin’izy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena izao hoe, hiala eo amin’izany toeran’ny mpanolotsaina izany sa hamikitra amin’ny seza toa an-dry Pierrot Rajaonarivelo, ity farany izay efa manoman-tena fatratra koa hiatrika ny fifidianana, nefa tsy miala ao anaty governemanta, fa miantehitra amin’ilay andininy faha-14 ao amin’ny tondrozotra hoe mametra-pialana 60 andro mialoha ny datin’ny latsabato. Ao anaty fitondrana ve izany no heverin’ireny kandida ireny hanomanana ny propagandiny ?

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT