Tamin’ny fandalovan’ny filoha nasionalin’ny antoko «Fiombonan'ny Demokraty Malagasy» (FIDEM), Maurice Beranto tany Toliara no nilazany raha nihaona tamin’ny mpanao gazety ny tenany fa «miady gisitra ny Gasy sy mifafa ny kihony amin’izao noho ny ataon’ireo mpanao politika tia seza sy mpangoron-karena». Tsy nihambahamba ity kandida hilatsaka ho filoham-pirenena ny mey 2013 ity, fa vokatry ny fanonganam-panjakana sy ny fiantraikan’ny krizy politika in’efatra tao anatin’ny 52 taona nisy ra latsaka foana no nampahantra (4’Mi) ny Gasy toy izao.
«Mangidy loatra ny iainan’ny vahoaka ankehitriny ka miraviravy tanana izy ireo ary tsy matoky ny fanjakana sy ny mpanao politika mpanao kobaka am-bava intsony», hoy i Maurice Beranto, ka izany no nanosika ny tenanay hilatsaka hanavotra ity nosin-drazantsika ity. Amin’izao, hoy izy hatrany nanohy ny fanazavany «iza no tsy nitsiriritra an’i Madagasikara noho izy manan-karena ary mihazakazaka sy miady ho aty daholo ireo firenen-dehibe matanjaka, nefa jereo ireto Gasy, mahantra fadiranovana indrindra noho ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena».
Manampy trotraka izany, hoy ity mpanao politika zanaky ny Repoblika voalohany sy ny ankolafy Zafy Albert ity «ny tsy firaharahaina intsony ny sosialim-bahoaka fa variana amin’ny endrika ivelany fotsiny ny mpitondra (manara-penitra, hono). Samy mandrapaka ireo mamba noana tsy mety voky !». Ilaina ny finiavana sy ny fandavan-tena lavitry ny fitiavan-tena sy tombontsoa manokana, raha te-hampandroso marina ny firenena isika. Fanontaniana no napetrany «izao ve no fanovana nodradraina teny an-kianja tamin’ny 2009 ?».
Tsotra ny valiny, hoy ny filoha nasionalin’ny FIDEM : «kivy tanteraka ny vahoaka ary miady an-trano ny mpanao politika amin’izao, samy te hiaro ny tombontsoany nefa matahotra fifidianana, ka tian’ny sasany hitarina ho tetezamitatra ity tetezamita ity». Hampahafantarinay ny vahoaka Malagasy fa izahay FIDEM dia tena hitondra ny tena fanovana eo amin’ny fanaovana politika, porofon’izany ny nanaovako fanambaram-pananana ho modely, hisian’ny mangarahara sy fifampitokisan’ny samy mpiray tanindrazana. Mitety faritra izahay manazava ny zava-misy sy manaitaitra ireo namana matoritory. «Tsy lany olomanga sy manam-pahamendrehana i Gasikara, ka aleo hotsarain’ny vahoaka eo izay nampijaly sy nampahory azy», hoy i Maurice Beranto namarana ny teniny ary mbola nampiany hoe : «Eo isika hahita azy !».
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.