Hatairana ny an’ireo fianakavian’ny jeneraly Raoelina omaly maraina raha nandre sy nahita fa entina eny amin’ny Fitsarana Anosy ny tenany. Nihazakazaka nifampiantso avokoa izy ireo mba samy ho eny an-toerana.
Tokony ho tamin’ny 10 ora mahery ny maraina dia tonga teny tokoa ny fiara nitondra ny jeneraly Raoelina, sy ny kolonely roa hafa, Ralaimihoatra sy Dzadifara. Nisy tamin’ireo zanaky ny jeneraly no tafaresaka taminy ary nitaraina izy fa misy marary ny vatany. Dimy minitra io fifampiresahana io raha ela indrindra. Tampoka ity fitondrana an’ity jeneraly ity teny amin’ny fitsarana omaly ary araka ny fantatra dia tiana haseho ny mpanao gazety mihitsy ny tenany entina hilazana fa tsy marary ary tsy maty, araka ny feo niely tamin’ny herinandro sy ny fiandohan’ity herinandro ity. Ny nahagaga mantsy dia toa tsy rototra loatra ireo mpiandry fonja nitondra azy. Toa navela alain’ny mpanao gazety sary mihitsy ity farany.
Rehefa nanontaniana indray ny mpisolovava an’ny jeneraly Raoelina dia nilaza fa tsy famotorana ifotony no natao fa fanombohana ihany. 20 minitra teo ihany koa no faharetan’io raha ela indrindra. Asa na noho tahotra ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay manara-maso akaiky ny fahasalaman’ireo manamboninahitra teny amin’ny BANI Ivato ireto no anton’izao na ahoana. Fantatra ihany koa mantsy fa taorian’ireny vono nahazo ny kolonely Coutiti sy ny jeneraly Raoelina ireny dia nahazo fangataham-panazavana avy amin’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Ban-Ki Moon, ny FAT. Ny governemanta Amerikanina ihany koa mbola nanisy resaka io tsy fanajana zon’olombelona io omaly. Mihazakazaka ny toe-draharaha noho izany rehetra izany. Ho hita eo ny tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.