Sambasamba teo amin’ny tantaran’ny Kaominina Masomeloka, Distrikan’i Mahanoro no nisy mpitondra nahatsiaro azy.
Nitsidika tany an-toerana ny praiministra lefitra misahana ny toekarena sy ny taozava-baventy Botozaza Pierrot ny sabotsy 29 septambra teo. Totorebika no nanehoan’ny vahoaka vory lanona nandray ny vahiny teo Amin’ny tranompokonolona. Ho fanehoan’izy ireo ny hafaliana dia notendren’ny mponina ho filoham-boninahitry ny fikambanana Zanak’ambanivolo i Botozaza. Ny fifanampian’ny mpikambana ahafahan’ny tsirairay mihoitra amin’ny fiainana no fomba fiasa eo anivon’ity fikambanana ity izay noderainy manokana noho izany. “Ny fikambanana toy itony dia rafitra azo iasana ho an’ny fampandrosoana”, hoy i Botozaza Pierrot. Noporofoiny tamin’ny asa avy hatrany moa izay fifanomezan-tanana izay ka nanolorany akanjo fitafy ireo Tangalamena ao an-toerana sy omby 2 natao nofon-kena mitam-pihavanana.
Araka ny fangatahan’ny mponina koa dia nanome kahie amin’ny pejy isan-karazany miampy penina miloko 3 ho an’ny ankizy miisa 1500 koa ny tenany. Noho ny fahasahiranana mantsy dia maro ireo ray aman-dreny no tsy manana akory ny enti-manana hampianarana ny zanany. Tsy hadinony ihany koa ny tanora izay nahazo baolina. Nampanantena ny hitondra eo anivon’ny governemanta ireo olana isan-karazany koa ny tenany. Anisan’izany ny fitokana-monina satria ratsy dia ratsy ny lalana makany ary in-telo miampita baka koa vao tonga any. Mitsoaka an-daharana ihany koa ny ankamaroan’ny mpampianatra noho ny teritery ara-politika ka ny zanak’i Masomeloka no mizaka ny vokany. Tsy ampy 1% akory mantsy ireo mpiadina afaka Cepe farany teo.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.