Politique

Masoivoho Frantsay Hotohizana haingana ny dinika momba ny « îles éparses »


  • Alakamisy 15 Jolay 2021

Naneho ny Minisitry ny raharaham-bahiny Atoa Liva Djakoba Tehindrazanarivelo sy ny Masoivoho Frantsay eto Madagasikara Christophe Bouchard omaly,

 nandritra ny fanamarihana ny 14 jolay fetim-pirenena Frantsay tetsy amin’ny Résidence de France etsy Ivandry, fa mizotra araka ny tokony ho izy ny fanamafisana ny fitoniana eo amin’ny fifandraisan’i Madagasikara sy Frantsa, ary isan’izany ny adihevitra momba ireo Nosy manodidina. Samy nilaza ny andaniny sy ny ankilany fa manam-pinihavana hanohy ny fifampiresahana momba io lohahevitra io, izay lafin-javatra niteraka fiakaran’ny maripana teo amin’ny fifandraisana tamin’ny volana lasa teo. Nilaza i Christophe Bouchard, fa mizara ny fahavonany hamerina haingana ny fifanakalozan-kevitra mikasika ireo nosy ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika i Frantsa. Nohamafisin’ny Minisitra Tehindrazanarivelo Djakoba Liva fa hafainganina faran’izay tratra io famerenana ny dinika io. Nambarany fa lasa sakana amin’ny fanatsarana ny fifandraisana ao anaty fitoniana ho an’ny firenena roa tonta io. Fampanantenan’ny Fanjakana Rajoelina ny hivoahan’ny fehin-kevitra momba ny famerenana ireo Nosy mialohan’ny 26 jona 2020, saingy ny 26 jona 2021 aza efa nodinganina. Efa nilaza moa ny Filoha Rajoelina ny 10 mey 2020, fa fitakiana ireo Nosy no atao fa tsy fiaraha-mitantana. Novoizina ny resaka fiandrianam-pirenena, ary lasa lohahevitra nakana fom-bahoaka io. Navadiky ny Frantsay ho tahiry ara-boajanahary nasionaly anefa ny Nosy Sambatra na Iles Glorieuses. Nambaran’ny Masoivoho Frantsay omaly, fa ny kaomisionina iraisana dia tsy maintsy hitady vahaolana ho amin’ny tombotsoan’ny tany roa tonta, hanombohana fiaraha-miasa mitera-bokatsoa amin’ny lafiny harena voajanahary, jono maharitra, fiarovana an-dranomasina amin’ireo faritra ireo. Raha halalinina amin’io, dia toa mizotra mankany amin’ny fiaraha-mitantana ny raharaha, fa tsy famerenana araka ny velirano.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT