Nandray ny masoivoho britanika, David Ashley, ny teo anivon’ny filankevitra ambony momba ny demokrasia sy ny tany tan-dalana na HCDDED.
Araka ny fampitam-baovao dia fitia te hahalala ny antom-pisian’ity rafitra ity no tena anton-dian-drizareo Britanika teny amin’ny foiben’ny HCDDED tetsy Ankadimbahoaka omaly. Iza avy no mandrafitra ny HCDDED? Inona no ataony? Misy fiantraikany amin’ny fiainam-pirenena ve? Ireo no fanontaniana isany napetrak’ireto vahiny ireto, hoy ny filohan’ny HCDDED, Pierre Lenoble Navony. Ry zareo britanika, hoy izy, no ambasadaoro isany nitsidika antsika voalohany tamin’ity taona ity. Nahaliana kosa, hoy ity masoivoho britanika ity, ny niresaka mikasika ny andraikitry ny HCDDED manoloana ny toe-draharaha politika eto Madagasikara ankehitriny. Misy tokony hisintomana lesona, hoy izy, ny tantara mikasika ny lasan’I Madagasikara. Eo ny resaka fanjakana tsara tantana, ny fangaharaharana, ny toeran’ny demokrasia eto amin’ity firenena ity, hoy hatrany I David Ashley.
J. Mirija
Legende: Fihaonana teo amin’ny HCDDED sy ny Masoivoho Britanika omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.