Politique

Marine Le Pen sy ny antoko RN Mampiaka-peo momba ny “Îles Eparses”


  • Zoma 07 Jona 2019

Nampiaka-peo ny Antoko RN (Rassemblement National) tarihin-dRamatoa Marine Le Pen any Frantsa, manoloana ny raharaha « îles Eparses » anisan’ny votoatin-dresak’i Andry Rajoelina sy Emmanuel Macron tany Paris ny 29 mey lasa teo.

 

 

 

 Manohitra tanteraka ny mety ho fifanarahan’ny mpitondra Frantsay amin’i Madagasikara ireo Nosy ireo ny RN, ary nanitrikitrika fa an’i Frantsa ireo nosikely ireo, ary nanomboka ny taona 1970 no notakian’i Madagasikara. Nambarany fa manohitra tanteraka amin’ny heriny manontolo ny amin’ny fikitikitihina ny fiandrianam-pirenena Frantsay sy ireo ambarany fa taniny ataon’ny firenena vahiny, toy ny zava-nisy ny taona 2013 sy 2017 tao amin’ny Nosy Tromelin izy. Fanitsakitsahana ny andininy faha-5 amin’ny lalàmpanorenenan’izy ireo izany, ary anjaran’ny filoha no tokony hitandro azy. Manohitra tanteraka ny fanokafana fifampiraharahana amin’i Madagasikara momba ny fitantanana ireo nosikely ireo ny RN, araka io fanambarana io. Mitaky amin’i Emmanuel Macron ny handisoana ny voalazan’ny filoha Malagasy Andry Rajoelina tao amin’ny tambajotra facebook fa: “hahita hevitra momba ny fifampiraharahana sy famerenana ny “îles Eparses” ny roa tonta izy ireo. Midika io fa tsy hamerina mora an’io ny Frantsay, toa mampahatsiahy ny tenin’i Marc Ravalomanana tsotra sy nahitsy, fa mbola sarotra amintsika ny hiady an’ireo tanintsika ireo amin’izao tanjaka ara-toekarentsika izao. Teto amin’ny tanintsika ny Masoivoho Frantsay Véronique-Vouland no nidingin-drambo teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny 15 oktobra 2015 fa azy, hono, ireo Nosy ireo. Mila mafy ara-toekarena sy miombona aloha ny Malagasy.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT