Ny fokonolona amiko no fototra iaingan’ny fampandrosoana eto Madagasikara, hoy ny mpampianatra mpikaroka, Marie Michel Robivelo, izay mamita “doctorat” momba izany.
Aza magnano randragna tsy maneva taigna, hoy ny ohabolana Antakarana. Ny filazana fa lany andro ny fokonolona, hoy izy, dia tsipahako satria lany andro koa izany ny lalampanorenana frantsay niainga tamin’ny revolisionin’ny 1789. Niainga avy amin’ny kolontsainy daholo ny fandrosoan’ny firenena mandroso rehetra. Ny antsika tabatabain’ny vahiny dia tsy te hieritreritra izany. Na ny fampianarana filozofia eto aza ekena fa tokony ho fantatra i Aristote sy Platon fa tokony halalinina koa ny filozofia Malagasy. Ao Tanzania izao manana ny rafitra Ujamaa izay azy izy izay misahana ny toekareny na misy filoham-pirenena aza. Vita ny mamerina an’io anaty rafitra anaty taona vitsy rehefa misy ny finiavana politika, hoy hatrany ny tenany. Manomboka amin’ny fanovana lalampanorenana isika ka apetraka ho fototry ny vondrona itsinjaram-pahefana, izany hoe hiaingan’ny fahefana rehetra ny fokonolona. Tsy mandroso ny fandriampahalemana ankehitriny satria tsy ny fokonolona no manao azy fa ny any ambony any. Tsy miraharaha ny lehiben’ny fokonolona satria noheverina toy ny faniraka fa tsy tompom-pahefana, hoy hatrany ity mpampianatra mpikaroka ity. Ny lalampanorenantsika mihitsy no manome fahefana bebe kokoa ny mpanatanteraka ka tsy mahagaga raha ireny no fanapahan-kevitry ny HCC. 76 taona moa ny tenany ankehitriny ary nanosika azy hamita ity voka-pikarohana ity ny zavatra hitany ny taona 1973 tamina fokontany ambanivohitra iray mpivarotra laisoa izay nampihatra ny atao hoe Vaomieran’ny toekarena na Vatoeka, izany hoe, fanambarana ny vokatra rehetra ary ny komity no mivarotra izany. Tsy varotana fahatany ny vokatra fa misy fepetra mihitsy hoe izao no vidiny. Haka ianareo tsara. Tsy haka ianareo tsara. Nanam-bola hatrany amin’ny 5 tapitrisa ariary io fokontany kely io tamin’izany ary nifampatoky izy ireo, hoy hatrany ity mpampianatra mpikaroka ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.