Nentina am-bavaka mba hijoro marina hiaro sy hihevitra ary hijery izay hahasoa ny vahoaka Malagasy amin’ny tolo-kevitra sy fampandaniana ny lalàna hataony ireo depiote TIM 16 vao lany.
Tao avokoa ireo kandida 109, izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ary nahafantatra fa tsy resy izahay fa mpandresy, hoy i Marc Ravalomanana. Tsy miteny aho eo anatrehan’ny valim-pifidianana izay didy tsy azo hivalozana fa Andriamanitra irery ihany no mahalala ireo olona lany kanefa natao izay tsy hahalany azy. “Mieritrereta lahy fa dia olona tsy mahay na inona na inona daholo ve ary tsy mahalala ny tokony hataony daholo ve ireo olona nanao fitoriana sy fitarainana ?”, hoy izy. Nanao ny fanamarinana ny vadintany ary nisy ny fijoroana vavolombelona. Nisy tamin’ireo aza efa nohamasinina amin’ny maha mpitondra fiangonana azy dia tsy misy horaisina ve ireo fa tonga dia natao safobemantsina fotsiny ? Mahamenatra ary tena mahamenatra, hoy izy ny maheno amin’ny fampahalalam-baovao avy any ivelany hoe: mba misy fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ve ao Madagasikara ao kanefa misy manitsakitsaka lalàmpanorenana ? Jerena fotsiny amin’izao fa hoe ireo no azo raisina. Sahy hijoro hanohitra izay mety tsy ho fanarahan-dalàna sy izay hevitra tsy hitondra tombontsoa ho an'ny daholobe ny depiote 16 lany tamin'ny anaran'ny Tiako i Madagasikara. Toy izay ihany koa ny antoko, izay miandry ankehitriny ny didy fampiharana momba ny mpanohitra (décret d'application), satria izany no voalazan'ny lalàna ary ny TIM dia miasa ao anatin'ny fanarahan-dalàna. Tsy hoe manohitra be fahatany fotsiny fa manana programan’asa, dia ny “manifesto”, izay misy drafitra sy planina mazava hoenti-manatanteraka. Hampitombo ny fidiram-bolan’ny Malagasy, hanao izay hampianarana ny Malagasy, ary hiezaka mba hahatonga ireo tanora hahita asa, hanamboatra ny fotodrafitrasa efa nataoko sy nataonay nandritra ny 8 taona ka hainay io. Efa nijery sy nanatona ireo mpiara-miombon’antoka ary nankasitrahany tokoa ilay izy. Tsy hipetra-potsiny izahay fa manana olona manolotsaina sy hampiofana ireo depiotenay, hoy i Marc Ravalomanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.