Politique

Marc Ravalomanana “Vitantsika ny maka io fahefana io”


  • Alarobia 11 Aogositra 2021

Nanitrikitrika i Marc Ravalomanana omaly 10 aogositra 2021,nandritra ny fankalazana ny faha-2 taonan’ny RMDM omaly tetsy amin’ny Kianjan’ny Magro Behoririka, nahitana ireo mpikatroka samihafa, olom-boafidy,…

 fa raha ohatra ka tsy misy mpanohitra dia mandeha any amin’ny zavatra tsy alehany ny fitantanana, izao aza misy mpanohitra io no ataony mainka fa tsy misy. Izay no ilàna mpanohitra amin’ny firenen-drehetra isian’ny fifandanjana ara-pahefana. Nambarany fa nisy zavatra roa na telo nitranga teo: covid-19, tsy fahaizana mitantana, fisalasalana mandray fanapahan-kevitra, ka ny vahoaka no mizaka ny vokany rehetra. Mikasika ilay raharaha “Apollo 2021” eo anatrehan’ny Filazan’ny Filoha fa misy mpanao politika tafiditra dia lazao hoe: iza ilay mpanao politika, raha misy tokoa, hoy I Marc Ravalomanana. Milaza hanova paikady nny RMDM. Mbola tsy hambaranay, tsy maintsy mivory miaraka amin’ny fiakanaviam-be iraisam-pirenena satria amin’ny 3ora tolakandro tsy maintsy hanao tatitra hoe: inona ny zava-misy, hoy i Marc Ravalomanana omaly. Tondroinay ho mpanitsakitsaka lalàmpanorenana hatrany ny Fanjakana ankehitriny. Nilaza tsy hiditra ao anatin’ny governemanta na ny TIM na ny RMDM. Mila mahay tsara sy mihaino tsara sy maka toky amin’ny zavatra lazaina, Jesosy irery ihany no mahay fahagagana, hoy kosa izy eo anatrehan’ny hoe ao anatin’ny 3 andro dia hivaha ny olan’ny fiakaran’ny vidim-piainana.
“VITANTSIKA NY MAKA FAHEFANA, SAMIA MAILO”
Misy ny tsy fahaizana mitantana mihitsy, tsy misy vina na “vision”, ary tsy misy risi-po ho an’ny vahoaka satria tsy misy tombony ho azy fa kajikajy politika daholo ny ao ambadika. Leo ny olona, tsy te hihaino intsony. Mandalo fahasahiranana ny firenena, ilaina vonjena haingana, samia mijoro samia miteny. Entano ny Malagasy rehetra mba hahatsiaro saina. Na ireo miteny hoe: izahay tsy matahotra aza entano. Ianareo tsy matahotra anay fa matahotra ny sezanareo dia lasa manaonao foana, samy Malagasy tsy mifampatahotra, hoy I Marc Ravalomanana. Nambarany fa ny atao hoe politika, dia politika madio miainga amin’ny fahamarinana, faharesen-dahatra, programanan’asa,… “Andao hanao fanamby hoe vitantsika ny maka fahefana, tsy maintsy tanteraka io fa aza matahotra ianareo. Tsy hoe any amin’ny Filoham-pirenena ihany ny fahefana fa hatrany amin’ny sefom-pokontany, ben’ny tanàna, solombavambahoaka,… Tsy maintsy eritreretina tsara ny tsy maintsy handresena an’ireo, aza havela hahazo laka eto intsony ny halatralatra, lesona lehibe hitantsika ny “doublon” tamin’ny fifidianana, ka mila miandrina daholo. Aoka hanara-maso tsara ny fanisam-bahoaka sy fanilikilihana, ary efa mikononkonona ireo, efa nilaza ny eo anivon’ny Firenena Mikambana mba hiomanana. Hisy olona ho avy hiaraka amintsika hanatanterahana ny fahamarinana”, hoy ny Filoha teo aloha.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT