Politique

Marc Ravalomanana “Vetivety dia mety hitsimbadika io rasa io”


  • Alakamisy 27 Febroary 2020

Raha nanontaniana momba ny hoe tsy leo resy ve ny TIM i Marc Ravalomanana omaly, dia naneho fa tsy resy izany izy ireo fa noresena, ary tsy leo izany. Toy ny baolina kitra io,

 

 

 ka ny FC Barcelone ilalaovan’i Messi aza, dia tsy hoe maharesy foana, hoy izy. Mieritreritra ve izao ianareo hoe resy ny katolika mikasika io serasera mandeha be mikasika ny “pédophile” na fanararaotana ara-nofo tamin’ny zaza tsy ampy taona, fa tsy resy izy fa manarina, hoy i Marc Ravalomanana. Tena siora ve ianareo, ohatra, teto Antananarivo fa tsy nokitihina ny lisi-pifidianana ? Nisy ny lasa verin-droa, niova ny laharana,… Fantatray ny zavatra natao tao sy ny olona nanao azy, fa izay ilay hoe ny olona mahalala ny tokony hataony mangina. Notsindriany kosa fa fiezahana nandrombaka ny maro an’isa tamin’ny fifidianana tsy ara-drariny, dia fiezahan’ny fanjakana nanao amboletra hahazo fahamarinan-toerana ara-politika. “stabilité politique forcée” no noterena natao, saingy nandefitra ny TIM, raha ny nambarany. Ny miady amin’ny marina sarotra ary ny marina marina foana. Tsy resy izany izahay, ary tsy ohatr’izao raha resy. Mikasika ny fifandraisana amin’ny HVM, dia amin’ny politika tsy misy hoe: “énnemi permanent” na mpifahavalo mandrakizay, raha ny nambaran’i Marc Ravalomanana. Tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny Malagasy no jerena. Manoloana ny karazana resaka avy aty amin’ny mpitondra hoe fe-potoam-piasana roa izany hoe 10 taona farafahakeliny eo ihany, saingy ny mpanohitra mieritreritra hoe hiongana ho azy, dia na ataony fe-potoam-piasana 4 aza tsy olana. Ny fahefana rehetra anefa, dia any amin’ny vahoaka, hoy izy. Jereo ny any Italie amin’ilay hoe fahefana rehetra (full power) dia mankany amin’ny vahoaka. Tsy ampoizina akory io, dia mivadika, hoy izy. Noraisiny ho ohatra ny Kolonely Kadhafi tany Libye hoe iza no nieritreritra hoe olona nanana ny fahefana rehetra, kanefa niongana sy maty tahaka ireny no niafarany. Aza miantehitra amin’izany fa ny herin’ny vahoaka vetivety dia miova. Iza no nieritreritra fa i Omar el-Bechir (Soudan) koa no niongana. Raha nisy natanjaka dia isan’izany ireo taty Afrika, ary nifankahalala tsara tamin’ireo aho, hoy i Marc Ravalomanana.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT