Politique

Marc Ravalomanana “Tsy voafehy ny valanaretina, hafenina ny marina”


  • Alatsinainy 06 Jolay 2020

Nivoaka tamin’ny fahanginany sy naneho ny heviny indray momba ny zava-misy eto amin’ny firenena indrindra fa ny fitantanana ny ady amin’ny Covid 19 ny filoha teo aloha

 


Marc Ravalomanana sady lehiben’ny mpanohitra. Efa tena tsy voafehy intsony ilay izy! Somary nidina kely tamin’ny 19 jona dia izao niakatra be amin’izay satria nisy fanaovana gaboraraka, tsy hentitra tsara nanome ilay fepetra hoe vahana aloha ny vahoaka hahafahana mitady vola dia izao ny vokany. Ny mpanome baiko no tompon’andraikitra voalohany satria izy no natao hiaro sy hijery izay hahasoa ny vahoaka. Nambaran-dRavalomanana fa tsy manana fahatokisana intsony amin’ny zavatra tenenina ny vahoaka satria hafa no ambara ary hafa ny zavatra atao.
Aoka tsy hihevitra fa hahavita tena irery amin’ny fifehezana ity covid-19 ity, hoy izy. Nohamafisiny fa tsy misy ny mangarahara. Mila hazavaina hoe inona no nandaniana ny vola? Ahoana ny fampitaovana toy ny appareils respiratoires? Ny fahalalako azy dia mbola misy vola ao amin’ny Banky foibe, misy vola 178 na 180 tapitrisa lasa any amin’ny “paradis fiscaux”, ka tsy mahatoky ny mpiara-miombon’antoka, hoy i Marc Ravalomanana. Nambarany fa salama tsara izy, fa tsy araka ny tsaho miely milaza fa voan’ny coronavirus. Nodisoiny ny vaovao milaza fa nisy ny fifampiresahana mivantana na ampitain-davitra nifanaovany niaraka tamin-dRajaonarimampianina tamin-dRajoelina.

“BE DIA BE NY MATY…”

Sahy milaza aho fa be dia be ny maty etsy sy eroa, fa ny fitaovana fitiliana no tsy ampy. Efa tena mihoatra ny zakan’ny hopitaly ny voa. Efa tena “déffaillance” io ary tsy voafehy io na misy milaza aza fa voafehy, hoy I Marc Ravalomanana. Arangaranga ny fandrahonana sy fanagadrana hanafenana ny marina. Milaza aho fa tokony hijoro amin’izay isika Malagasy, tokony hanana fahasahiana, ary tena sahy hitarika an’izany mihitsy aho, hoy ity Filoha teo aloha ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT