Mbola nanamafy indray i Marc Ravalomanana tany Andramasina omaly fa tsy azo atao amboletra ny fanovana ny lalàmpanorenana. Ny fitsapan-kevi-bahoaka dia mangataka ny hevitry ny vahoaka no dikany hoe: Eny sa Tsia, hoy izy.
Tsy maintsy misy fifampiresahana aloha ka ampahafantarina ireo herivelona rehetra ilay zavatra atao. Ny lalàmpanorenana dia saropady ka mila fifampidinihana sy fifampiresahana matotra. Tsy maintsy manaja ny lalàna velona ny mpitondra fa tsy izy indray no manondrana, hoy ny fanazavany. Nampatsiahiviny fa naharesy izy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo saingy nanaja ny didy araka ny lalàna velona misy eto navoakan’ny HCC. Enga anie mba hihaino ny hevitra mivoaka etsy sy eroa ny mpitondra, hoy izy fa tsy hoe manana ny marina ianao rehefa eo amin’ny fitondrana. Tsy misy firenena mandroso izany raha tsy manaja ny lalàna. Momba ireo kandidan’ny TIM indray dia nambarany fa kandida efa nahazo fiofanana ireo, hainy tsara ny mampihatra izany eo anatrehan’ny vahoaka, miasa miaraka amin’ny vahoaka, mandanjalanja tsara ny teny hotenenina, manaja ny toromarika. Hisy indray ny fiofanana manokana rehefa tonga ny fampielezan-kevitra, dia ho avy koa izany rehefa tafiditra eny Tsimbazaza izy ireo hahafantarana misimisy kokoa ny tena andraikitra sy asa marina. Tsy hanolo-bato mafana ny vahoaka Malagasy ny TIM izay antoko manana ny maha izy azy, mijoro amin’ny soa iombonana, mahalala ny tokony hataony, hoy ny filoha nasionaliny Marc Ravalomanana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.