Politique

Marc Ravalomanana “Tsy hilefitra amin’ireo intsony aho”


  • Alatsinainy 22 Novambra 2021

Tena latsaka anaty fahantrana ny vahoaka Malagasy: fahantrana ara-tsaina, fahantrana ara-pananana sy ara-bola, ny ankizy tsy afa-mianatra,…

 Vahaolana amin’izany maka fahefana ihany, ny fahendrena dia manova toe-tsaina hoe: mila miray hina, ary jereo ny olona any ivelany any, fa rehefa misy tsy mety dia tsy manaiky lembenana, hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny faran’ny herinandro teo teny Bel’Air nandritra ny hetsika fameloma-maso na “redynamisation” ho an’ny Antoko TIM ao anatin’ny Boriborintany faha-3. “Tsy maintsy ataontsika izay ahazoana ny fahefana na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, tsy maintsy miara-miezaka isika. Izay no ilàna ny antoko mpanohitra, ka ny tsy famelanareo anay mba hanao hetsika na diabe miaraka, dia midika fa tena matahotra anay ianareo”, hoy ny Filoha teo aloha. Nanamafy I Marc Ravalomanana, fa ny ilàna ny antoko mpanohitra dia mba hisian’ny fifandanjan-kery na “équlibre de pouvoir”. Miteny hoe: mba jereo ny vidim-bary, olona tsy mihinan-kanina,… Izao terena fotsiny, olona tsy mahalala izay ambonin’ny tany, dia manaiky fotsiny sy noraharahian’ny mpitsara mihitsy ny fitakiantsika tamin’ny “2ème tour”, fa dia iray ao anatin’ny fitoriana 7000 na 700 no azo raisina izy rehetra. Nisy manam-pahaizana maro momba ny lalàna, mpampianatra mpikaroka, parlemanta,… moa no voalaza fa nandrafitra ny fitoriana tamin’izany, saingy azo raisina fa tsy mitombina no setriny. Amin’ity isika tsy handefindefitra izany intsony, tena alefa Dada fa tsy hilefitra amin’ireo intsony aho. Raha tiana ny hisian’ny fitoniana sy ny fampandrosoana marina eto amin’ity firenena ity, dia mila mandray risika tsara isika. Mila sahy, ary tsy izay olona rehetra mampitahotra ahy akory dia tsy hampihetsika ahy hoe tandremo tsara prezida fa sao… Andriamanitra no tompon’ny aina, ary miteny anareo sy mila anareo vonona aho na rahoviana na rahoviana ary na aiza na aiza, tsy hamitaka anareo mihitsy aho ary ianareo tsy hamitaka ahy, fa ho toy ny mpirahalahy mianala isika”, hoy I Marc Ravalomanana. Nanome toromarika ny mpomba azy ny Filoha teo aloha, fa tsy azo ekena mihitsy ny fifanilikilihana, tsy maintsy miray hina, ary raha nisy ny zavatra tsy nety tany aloha, dia ifananarana sy hifanitsiana,… satria tsy mety raha ny samy ao anatiny no misara-bazana. Toa nampahatsiahy ny nambarany ny 10 aogositra teny amin’ny Magro Behoririka ny Filoha teo aloha amin’ny fanambarana fa haka fahefana hatrany ifotony, ka nilazany fa tsy maintsy atao izay ahazoana ny fokontany. Voalazan’ny lalàmpanorenana fa afaka mifidy olona 3 ny sefom-pokontany, ka ao anatin’io no isafidianan’ny lehiben’ny distrika, saingy amin’izao atao tian-kano tsy tian-kano, raha ny nambarany. Ny azo hamintinana azy, dia hafana ny toe-draharaha politika, ka samy mijery sy miandry ny fivoarany.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT