Politique

Marc Ravalomanana Tsy hiara-hiasa amin’ny mpanongam-panjakana


  • Zoma 21 Janoary 2011

Tsy navelan’ny taona tsy hivoaka ny marina, hoy i Marc Ravalomanana omaly raha nanao valandresaka an-telefaonina tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny foiben-toeran’ny Ankolafy Ravalomanana ao Bel’Air ny tenany.

Nandritra izany no nilazany fa nisinda ny ahiahin’ny maro, indrindra ny sehatra iraisam-pirenena toy ny SADC ny amin’ny zava-nitranga marina teto Madagasikara ny taona 2009, taorian’ny fieken-keloka an-tsoratra nataon’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina fa dia fanonganam-panjakana no natao teto.

Mazava ny resaka ankehitriny, hoy ny filoha Ravalomanana izay nilaza tamin’ny teny hentitra fa «tsy hisy hiara-hiasa amin’ny mpanongam-panjakana» ary tsy hamela ity firenena ity hoviravirain’ireo. Nitondra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana moa ny tenany ary matoky ny fahaleovantenan’ny fitsarana sy ny hasin’izany. Mijery antsika izao tontolo izao, hoy izy. Nambarany fa hisy fihaonana any Addis Abeba amin’ny herinandro ho avy io ary dia hodinihina mandritra izany ny raharaha Madagasikara. Hitam-poko hitam-pirenena, ary hita porofo ankehitriny ny zava-nitranga teto, izay “tsy azo ekena”, hoy ny filoha Marc Ravalomanana, ka «anjarako, anjaranao no mandinika. Hatraiza ary inona no hatao manoloana izany ?”, hoy izy raha namaly ankolaka ny fanontanian’ny mpanao gazety raha hisintaka na tsia amin’ny fifampidinihana ny Ankolafy Ravalomanana tarihiny.
 
Nampiany teny fampieritreretana hoe : “andao hifamela nefa tsy fantatra akory hoe : iza no nanao heloka ? Ahoana no hidinika nefa tsy fantatra hoe iza ireto ? Na ny Ankolafy Ravalomanana aza, hoy izy tsy nahalala ny zava-nisy, fa tao anatin’ny fisalasalana sy fisavorovoroana, toy ny nahazo an-dry Chissano. Ankehitriny anefa dia namoaka porofo ary nilaza fa hanambara ny marina ka nanao fieken-keloka ny letnà-kolonely Charles, satria latsaka an-katerena ny firenena.
 
Miaiky ankehitriny ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa fanonganam-panjakana no teto, hoy i Marc Ravalomanana. Mangataka dika mitovin’ireo taratasy fieken-keloka ireo hatramin’ny fikambanana iraisam-pirenena miaro ny zon’olombelona koa aza, araka ny filazany hatrany. Mikasika ny fipetrahany ao Afrika Atsimo izay niteraka resabe an-gazety teto an-toerana dia nanala ny ahiahian’ny Malagasy ny filoha Ravalomanana, tamin’ny nilazany fa filoham-pirenena voafidim-bahoaka tamin’ny fomba demokratika no andraisan’ny any an-toerana azy ary misitraka ny zo sy ny tombontsoa ary voninahitra mifanaraka amin’izany, toy ny fanana mpiaro manokana izy. “Milamina tsara izaho aty (an-tanin-dry Mandela), tsy misy atahorana izany”, hoy izy.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT