Politique

Marc Ravalomanana “Tsy hahasakana ahy ireny…”


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2022

Niazo an’Antsiranana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra ireo mpikatroka ao anatin’ny Antoka TIM

isan’ny sary nanaitra sy nampiavaka ity dian’ny Filohan’ny Antoko TIM sady Lehiben’ny RMDM ity ny fandraisan’ny Ben’ny tanànan’Antsiranana Djavojara Jean Luc azy. Tsy dia fahita matetika mantsy, hatramin’ny tsy naha filoha an’Atoa Marc Ravalomanana ny fisiana olom-boafidy ivelan’ny TIM mandray sy mitsena azy amin’ny fahatongavany amin’ny toerana iray. Tsara ny manamarika fa ben’ny tanàna lany tamin’ny tsy miankina ny ben’ny tanànan’Antsiranana I Atoa Djavojara Jean Luc, ka naneho izany izy fa tanàna mandray vahiny I Antsiranana. Isan’ny sary nanaitra sy niteraka fankasitrahana samihafa kosa ny mari-panjakana nataon’ny zandarimaria azy teo amin’ny seranam-piaramanidina. Nandritra ity diany ity kosa no nanehoan’Atoa Marc Ravalomanana fa te hahalala ny zava-misy marina satria betsaka ny fitarainana, tsy ny ao Antsiranana irery, saika manerana ny Nosy. Nisy ny fihaonana nataon’ny tamin’ny solontenan’ny mpiasan’ny orinasa manana olana dia ny SECREN, ka nilazany fa tsy ny orinasam-panjakana ihany na ny orinasa tsy miankina fa ny orinasa rehetra samy tratry ny fangirifiriana sy fahoriana avokoa. “Manana vahaolana aho, tsy maintsy fantatra sy hita aloha, ary hiaraha-midinika ny zavatra hatao”, hoy I Marc Ravalomanana. Ara-politika, nitohy ny karazana ramatahora izay ny manampahefana no ambadika, ka nilazan’ity Filoha ity hoe:“Ny tahotra no betsaka, izaho mbola tsy hanin-tsy haninona, mihetsika daholo ny iray tanàna, hatramin’ny pasitera avy hantsoina any amin’ny Prefe, ka izany ve dia mba ho rariny. Nanontaniana ilay Pasitera hoe: haninona any I Marc Ravalomanana, saingy olona manana ny fahalalahako aho, ary tsy hahasakana ahy mihitsy, tsy hahasakana,...”, hoy I Marc Ravalomanana. Nanome toromarika ireo mpomba azy moa ity farany mba hanàn’ireo fahasahiana. “Manàna ianareo fahasahiana fa tsy hahaova ity firenena ity isika raha tsy manana fahasahiana. Mila manana finoana, mila sahy, ary mijoro amin’izay”, hoy hatrany ity Filoha teo aloha ity. Raha mangingina ny eto Antananarivo taorian’ny fanakanana ny famoriam-bahoakan’ny mpanohitra ny 23 jolay teo, miditra bebe kokoa amin’ny fitetezam-paritra indray I Marc Ravalomanana, fihetsika izay tena tsy lanin’ny vavonin’ny mpitondra volomboasary.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT