Politique

Marc Ravalomanana tao Iaritsena Nanamafy fa hilatsaka hofidiana filoham-pirenena


  • Alatsinainy 13 Desambra 2010


Hatrany Iaritsena, Kaominina ambanivohitra ao anatin’ny Distrikan’Ambalavao, Faritra Matsiatra Ambony no nanao hetsika manokana ho fankalazana miaraka ny tsingerintaona faha-61 nahaterahan’ny filoha Ravalomanana, omaly 12 desambra. Nijojo ny orana fa tsy nampihetsika ny olona izany. Vao mainka aza nampirehitra ny afom-pitiavan’izy ireo ny nandre ny feon’Atoa Marc Ravalomanana, niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby teo amin’ny sehatra ankalamanjana nivoarian’ny olona tao amin’ity Kaominina ity. Sambany rahateo tao anatin’izay roa taona voatery nialan’ny filoha Ravalomanana teto Madagasikara izay no nandre azy ireo tany an-tanàna ireto tantsahan’Iaritsena Ambalavao ireto.

Tsy tantsaha ihany anefa fa hatramina mpiasam-panjakana ambony vory tao amin’ity lanonana omaly ity avokoa. Tamin’izay no nilazan’i Marc Ravalomanana fa basy aman-tafondro no nanonganana azy teo amin’ny fitondrana ary herisetra no nahavoatery nialany teto. Na izany aza dia nanamafy izay efa nambarany izy fa hiverina an-tanindrazana ary tsy hilatsaka hofidiana filoham-pirenena indray, amin’ny fotoana mampety izany. Nisaotra sy nankahery ny vahoaka natsiaro azy manokana tamin’izao vaninandro nahaterahany izao izy. Omby telo avy amin’ny malala-tanana telo samy hafa no nifampizaran’ny vahoaka tao Iaritsena omaly ho nofonkena mitam-pihavanana. Efa tany amin’ny folo ora alina tany vao nifarana ny korana tany an-toerana. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT