Politique

Marc Ravalomanana « Tandremo fa fandalovana io toeranareo io »


  • Alatsinainy 25 Jolay 2022

Tsy sahaza, tsy mendrika ny Malagasy ny fihetsika nataon’ny Fanjakana, fampihorohoroana ireo izay tsy mitovy hevitra aminy, fanaovana fitaovana an'ireo mpitandro ny filaminana, mba hiarovana ny tombontsoany », hoy i Marc Ravalomanana manoloana ny nisamborana ny Sekreratera Jeneralin’ny Antoko TIM sy ny Mpandrindra io Antoko io.

Niantefa tamin’ny vahoaka sy ny sehatra iraisam-pirenena ny tenany naneho fa herisetra, ary tonga dia atao fisambotra an-keriny fotsiny izao ireny, alainy amin'ny vozon'akanjony, ka izany no atao hoe : " terrorisme d'Etat", izany no atao hoe fampihorohoroana, tsy manaja sy manitsakitsaka ny lalampanorenana, efa niparitaka eran-tany ny zava-niseho, hampisehoana fa eto Madagasikara dia tsy misy mihitsy izany fanajana zon'olombelona izany, tsy misy fanajana ny hasin'ny maha-olona ny olona, ny maha-malagasy azy, ny maha-mpitarika azy, hoy hatrany i Marc Ravaolamanana. Nisaotra ny vahoaka ny tenany, naneho fa novotsorana ireo mpitarika satria tsy hita izay saika hilazana azy, saika hamorona fotsiny ny vesatra hatao amin-dry zareo, ohatran'ny zavatra nanjo ny tany Nosy be tamin'i Ninie Doniah. « Tandremo tsara fa fandalovana ny anareo eo amin'io toerana io, tandremo tsara fa ny fampandrosoana firenena tsy maintsy ao anaty filaminana, fifanakalozan-kevitra, fifampidinihana,… » hoy i Marc Ravalomanana nanipika fa ny Fanjakana no minia be marenina. Nanamafy ny fanamelohana tanteraka ny fihetsika ny Fanjakana tamin’ny sabotsy teo izy. Niantefa tamin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) hoe : mba jereo raha tena tsy mitanila ianareo: ara-dalana ve ? Araka ny lalampanorenana ve ireny? Mety ve ireny natao ireny ? Na dia teny kely aza tsy avoakanareo? Teo izahay, efa teo aho, mahalala tsara hoe ohatran'ny inona izany fanajana lalampanorenana izany toy ny anakandriamaso, fianianana natao izany, mialohan'ny fandraisana andraikitra amin'ny maha filohan'ny repoblika, fa tsy mangenahena, manao be marenina fotsiny eo, hoy ity Filoha teo aloha ity. « Miantso ny vahoaka malagasy rehetra aho samy hijoro ho sahy handray ny andraikitra, fa tsy avelantsika ho ampahoriana toy izao ny vahoaka malagasy”, hoy i Marc Ravalomanana naneho fa tsy azo ekena intsony jadona.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT