Politique

Marc Ravalomanana Tadidin’ny olona tsara ny fampandrosoana nentiny


  • Alarobia 18 Mey 2022

Na dia efa 13 taona lasa izay no nialany teo amin’ny fitondrana dia mbola tadidin’ny olona hatrany ny fampandrosoana nentin’i Marc Ravalomanana teto amin’ity firenena ity.

Miverina indray ny fitanisana ny zava-bita tao anatin’ny 7 taona, izany ny taona 2002-2009 ataon’ireo olom-pirenena any anaty tambazotran-tserasera. Santionany ihany, hoy ny fampahatsiahivana, ny lalana vita efa ho 10 000 km latsaka kely. Ny EPP miisa 6700. Ny CEG 6450. Ny CSBI 300 sy hopitaly. Ny taona 2005 no nanombohany ny fananganana ny seranan-tsambon’i Tolagnaro. Raha 6,3% ny salan’isa ny fitomboan’ny harin-karena teto Afrika tamin’ny taona 2008 dia 7,1% kosa izany ho an’i Madagasikara, ary natao ho firenena maodely amin’ny fampandrosoana ny firenena Malagasy. Raha 12% ny salan’isan’ny fidangan’ny vidim-piainana ho an’i Afrika dia 9,4% ihany izany teto Madagasikara, nandritra ny fitondrana Ravalomanana. Ankoatr’izay tafapetraka tsar any resaka fitsiipi-pitondran-tena sy fanajana ny lalàna indrindra fa teny anivon’ireo ministera sy ny sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny. Niasa ny olona ary nety kokoa noho ny niainana tato anatin’ny 10 taona izao ny zava-nisy tamin’izany.Ary ny tena zava-dehibe dia nitondra rivo-baovao amin’ny fomba fisainana sy fitantanana I Marc Ravalomanana tamin’ny fametrahany ny fampihofanana momba ny “leadership” na haitarika. Maro ny Malagasy nahazo tombotsoa tamin’izany ary mbola hita misongadina any amin’ny sehatra misy az tsirairay avy hatramin’izao.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT