Nitondra fanairana manoloana ny fihanaky ny valan’aretina Coronavirus mamely izao tontolo izao ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Tokony manaraka tsara ny vaovao iraisam-pirenena isika, fa ho tara eto raha hiolonolona fotsiny. Tena andraikitra lehiben’ny mpitondra ny miaro ny Malagasy. Ny olona rehetra efa samy mifehy ny firenena, mba tsy hihanaka ao amin’ny fireneny io aretina io. Tena zava-doza satria ny firenena matanjaka tahaka ny Amerikanina aza voany. Isika anefa sady tsy ampy vola no tsy ampy fitaovana no tsy ampy mpitsabo. Isika anefa mbola mamela ihany ireo sidina avy any ivelany mankaty. Gaga aho mahita izany. Iza no milaza amintsika fa tsy tafiditra eto. Ahoana no hilazana fa tsisy ny avy any Italie miditra eto, ireo sidina avy any Eoropa mbola miditra eto. Mila miaro ny vahoaka sy ny fananany. Eto aho dia miteny amin’ny maha raiamandreny sy tompon’andraikitra satria mbola tsy nitranga tamin’izay io aretin-doza io, hoy i Marc Ravalomanana. Tsy misy azo atao, mbola tsisy fanefitra, ka dia miantso ny tompon’andraikitra ao amin’ny fahasalamana mba hanao izay azo hatao mba handresy lahatra ireo kaompania mba tsy hampidirina eto intsony, indrindra fa ny avy any Eoropa. Ampahafantaro ny olona, fa aza afenimpenina, hoy izy. Raha ny vaovao azo omaly, dia hanome 3,7 tapitrisa dolara ny Banky iraisam-pirenena hanampiana ny ezaka hisorohana ny Coronavirus tsy hiditra eto Madagasikara.
Firenena 102 no efa tratra
4011 no efa maty, 111 000 ny trangan’aretina voamarina, 102 ny firenena efa ahitana azy. Maherin’ny 80 800 ny sehon’aretina voamarina, ary tafiakatra 3 122 ny maty any Chine. Hatrany amin’ny 70% mahery na izany aza ny tahan’ireo voa tafavoaka velona nandresy ny aretina any amin’ity firenena nipoiran’ny Coronavirus ity. Tafiakatra 463 ny maty any Italie, ary 9172 ny trangan’aretina voamarina. 237 ny maty tany Iran, ary 7161 no voa. 54 hatramain’izao ny maty any Korea Atsimo, ary 7478 no voa ; 28 ny isan’ny namoy ny ainy any Espagne, ary olona 1204 no voa; 25 ny maty ho an’i Frantsa ary 1412 ny trangan’aretina voamarina, 1 kosa ho an’i Allemangne, ary 1100 ny tranga voamarina, raha toa ka 708 ny tranga voamarina ho an’i Etazonia ary efa tafiakatra 27 no namoy ny ainy. Fahafatesana voalohany taty Afrika kosa ilay tany Egipta, izay mpizaha tany Alemà iray no namoy ny ainy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.