Politique

Marc Ravalomanana "Sahia mamotsipotsitra ny lainga..."


  • Alatsinainy 06 Mey 2019

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy sy nentina am-bavaka tetsy amin’ny Kianjan’Ambohijatovo ny sabotsy 4 mey lasa teo ireo Kandida rehetra avy amin’ny antoko TIM.K25, tarihin’i Marc Ravalomanana.

 

 

Rodoben’ny Mpanangana no hiantsoana azy ity satria mila manao rodobe isika raha hanangana firenena vanona ary hampandroso an’i Madagasikara, hoy ny Filoha teo aloha. Nandalo fotoana fahakiviana isika, hoy izy, tamin’ny fiandohan’ny taona satria nanaiky ny didy tsy azo hivalozana isika tamin’iny fifidianana filoham-pirenena lasa iny. Natao izany mba hamadihana ny pejin’ny tantaran’i Madagasikara ka mba hanjaka ny filaminana. Iny ihany koa dia ohatra ho an’ny rehetra amin’ny fanajana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna. Ho fanohizana ny fihetsika nataoko tamin’ny volana janoary iny dia mbola vonona lalandava aho sy ny antoko TIM.K25 izay tarihiko fa hikatsaka izay mahasoa ny vahoaka amin’izao fifidianana izao. Tsapako fa ny vahoaka Malagasy dia efa mahatsapa fa ny TIM.K25 sy ireo Kandida izay hatolony ihany no afaka hampandroso ity firenena ity, hoy hatrany i Marc Ravalomanana, izay nanamafy fa mino sy manantena an’ireo kandidany hanaja sy ho mendrika ny fitokisan’ny vahoaka sy ny antoko ianareo. Aoka hotazoninareo hatrany ny teny filamatra hijoroantsika dia ny miasa mafy, miasa tsara ary miasa miaraka mba tsy hamitaka ny vahoaka Malagasy ianareo. Aoka tsy hohadinonareo ihany koa fa afaka manao tolo-dalàna ianareo. Aoka hasehonareo fa rehefa lany eo ianareo dia hampiasa ny traikefanareo amin’ny fahafahana manao tolo-dalàna fa tsy hiandry fotsiny ny volavolan-dalàna avy amin’ny governemanta, hoy izy. Sahia ! Toe-tsaina sahy hiatrika ny marina, ny fahamarinana sy ny rariny. Sahia misaina, mieritreritra sy mandinika am-pahendrena vao miteny.   Ny hery tsy mahaleo ny fanahy. Samia mailo hatrany ! Sahia miteny : tsy mati-kena-maso, mamotsipotsitra ny lainga sy ny diso, tsy matahotra milaza ny marina, ny rariny ary ny fahamarinana, ka mitaky izany ho andrin’ny fiarahamonina sy ny fandriampahalemana. Ho avy hanao ny fampielezan-kevitra any aminareo ireo Kandida atolotry ny TIM.K25 ireo ka mila ny fanampiana sy fanohanana avy aminareo vahoaka Malagasy rehetra. Vonona hiaro ny tombontsoanareo izy ireo ary mahafantatra tsara ny fahasahiranana mianjady aminareo. Koa tongava ary manao rodobe amin’ny fanohanana azy ireo, hoy ny hafatr’i Marc Ravalomanana ho an’ny vahoaka.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT