Politique

Marc Ravalomanana “Raha tena tia ny Malagasy dia mitarika hanao vaksiny”


  • Zoma 21 Janoary 2022

Nanao vaksiny andiany fahatelo na “3ème dose” teny amin’ny Foiben’ny Firenena Mikambana etsy Andraharo ny Filoham-pirenena teo Marc Ravalomanana mivady omaly.

Nanao “Pfizer” fatra fanampiny na ilay antsoina hoe “booster” izy mivady, izay tsiahivina fa ny vaksiny Astrazeneca no nataon’izy ireo, ka ny 10 jona 2021 no nanaovany ny andiany voalohany. Nandritra io fanaovana vaksiny fatra fanampiny omaly io no nilazan’i Marc Ravalomanana fa efa nahavita vaksiny ny mpitondra matoa tafiditra any Eoropa sy Etazonia. “Ny firenen-dehibe dia tsy misy mahazo miditra any intsony raha tsy vita vaksiny. Hitanareo tsara angamba ilay mpilalao tennis Novak Djokovic izay tompondaka eran-tany sy olo-malaza be, saingy tsy navelan’ny Aostralianina niditra tany aminy”, hoy i Marc Ravalomanana. “Manao vaksiny ireo, tsy tafiditra any Eoropa na Etazonia raha tsy misy karatra vaksiny. Politikan’ny vaksiny no tokony hoeritreretina. Nanentana ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka mba hanao vaksiny ho fiarovana ny aina sy ahafahana miatrika ny fiainana ara-tsosialy sy ara-toekarena noho izany i Marc Ravalomanana. Mahavita asa be isika raha mipetraka ny vaksiny, ary izay izao no politika ataoko alohan’ny politika politisianina. “Raha tena tia ny Malagasy ianao dia mitarika ny olona hanao vaksiny”, hoy ny Filoha teo aloha nanamafy. 3% raha be indrindra, ary efa 40% raha kely indrindra, any Eoropa 80%”, hoy hatrany I Marc Ravalomanana. Ohatry ny latsaka any an-davaka mangitsokitsoka ny firenena, ka ny fanavotana dia ny fanaovana vaksiny aloha ho fiarovana ny aina, ampiakarina avy ao avy eo,... raha ny fanehoan-keviny. Niantso ny fitondram-panjakana noho izany Marc Ravalomanana hanentana ny olona hanao vaksiny satria andraikitry ny mpitondra ihany koa izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT