Politique

Marc Ravalomanana Ny fifidianana no hitsaran’ny Malagasy azy


  • Zoma 05 Oktobra 2012

“Atero Ravalomanana fa tena sahirana ny Malagasy”, hoy i Manoela Ralaimampisainarinony, nanao antso avo amin’ny SADC-Troika.

 Araka ny nambarany dia niditra tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tany Miarinarivo, niresaka tamin’ireo mpomba ny ara-dalàna tany ny filoha Marc Ravalomanana ny alarobia lasa teo. Anisan’ny fanontanian’ny vahoaka tamin’ny filoha ny hoe hiverina sy hilatsaka tokoa ve ? Be loatra mantsy ny resaka alefa ka tsy fantatra intsony. “Ny andro sisa iainako rehetra dia hanompoako an’i Madagasikara ary izaho tsy maintsy miverina sy milatsaka hofidiana”, hoy ny valin-tenin’i Marc Ravalomanana tamin’ireo vahoaka sasa-miandry azy.

Nanoloana izany dia velom-bolo ireo tantsaha, hoy i Manoela raha nanao ny tatitra. Ny fifidianana no hitsaran’ny Malagasy ny filoha Ravalomanana, hoy ihany izy. “Bileta tokana : Marc Ravalomanana no filoha, omentsika hitondra indray ny tany”, hoy ihany izy izay nanentana sy nankahery ireo vahoaka satria efa antomotra ny fiverenan’ny filoha. Fantatra moa fa hetsika goavana sy miavaka no hiseho etsy amin’ny kianjan’ny Magro rahampitso sabotsy. Ny komity miaro ny fiainam-bahoaka na ny KMFB no hanomana ny hetsika.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT