Politique

Marc Ravalomanana « Nohitsakitsahina tanteraka ny zoko »


  • Alatsinainy 13 Desambra 2021

Namoaka fanambarana i Marc Ravalomanana omaly 12 desambra takariva taorian’ny toe-javatra niseho tao Toliara.

« Ny lalàmpanorenana dia miantoka ny zo fototra sy ny fahalalahan’ny tsirairay, ka isan’izany ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zo afaka hivezivezy malalaka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Mampalahelo anefa fa ny 12 desambra 2021 fitsingerenan’ny taona nahaterahako, dia nohitsakitsahina tanteraka ny zo maha olom-pirenena ahy. Manana ny zoko hikarakara fetim-pankalazana ny tsingerin-taona nahaterahako miaraka amin’ny mpiray tanindrazana amina toerana tsy miankina izay ahy eto Toliara aho. Ny fampiasana ny zandarimaria nanakana ny fidiran’ny mpiray tanindrazana amiko hiditra tao amin’ny faritry ny Magro, dia fanararaotam-pahefana goavana nataon’ny Fitondrana. Noho izany, ny zava-miseho amin’izao fotoana izao, dia fanitsakitsahana goavana sy miverimberina ny lalàmpanorenana. Noho ny zava-nitranga, manameloka tanteraka sy amin’ny fomba hentitra ny fanitsakitsahana ny zo fototry ny olom-pirenena ataon’ny Fitondrana ankehitriny aho, ary indrindra ny herisetra tsy hita pesimpesina nampanaovina ny zandarimaria eto Toliara », hoy Marc Ravalomanana omaly takariva.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT