Politique

Marc Ravalomanana Nirary soa ny Malagasy tsy an-kanavaka


  • Alakamisy 27 Jona 2019

Niarahaba ny Malagasy mpiray tanindrazana rehetra na ny eto an-toerana na ny any ivelany i Marc Ravalomanana mivady omaly noho ny fitsingerenan’ny faha-59 taona nahazoana ny fahaleovantena.

 Raha mirary soa ho an’ny firenena amin’izao Asaramanitra izao dia mirary soa ny vahoaka Malagasy na ny kely na ny lehibe. Isika tokoa no maha firenena ny firenena koa mirary fahombiazana ho an’ny rehetra amin’izay sehatra misy azy avy, hoy ny hafatra nataony. Enga anie isika tsy hisy hiraviravy tanana na hialangalana amin’ny adidy sy andraikitra misy antsika amin’ny isan-tokantrano, ny isam-piarahamonina, ny eny anivon’ny asa ataontsika andavanandro. Tsy hanaradrian-drano fahatany ny zava-misy ihany koa fa hisaina tsara hatrany, ho sahy sy vonona hijoro amin’ny maha malagasy, hiady ho an’ny Malagasy fa izany no hampijoro sy hampandroso ny firenena. Hiara-paly isika anio, hoy izy omaly, nefa tsy hanao fety fotsiny fa mba iainana isan’andro ary tandrovina sy arovana tsara izany hoe fahaleovantena izany, amin’ny lafiny rehetra, ho antsika mianakavy izao, indrindra ho an’ny taranaka faramandimby, hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT