Efa tena latsaka an-katerena ny firenena, hoy i Marc Ravalomanana raha niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby tao amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny sabotsy lasa teo.
Atakalo omby ny aina ankehitriny kanefa saropady indrindra izany aina izany, hoy izy. Ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny Malagasy, hoy i Marc Ravalomanana ka na dia ireo iraky ny SADC izay nandalo andro vitsy teto aza dia nahatsikaritra sy nahatsapa izay fitomboan’ny fahantran’ny Malagasy izay, araka ny fanazavana. Ny 85%-n’ny vola tokony hiditra no tsy tafiditra noho ny sazy mihatra amin’i Madagasikara. Niantso ho an’ny fifamelana sy ny fampihavanana ny filoha teo aloha ity. «Raha tsy tonga ny fampihavanana dia ho toy izao foana ny fiainantsika. Tsy azo hihodivirana fa tsy maintsy miroso amin’ny fampihavanana, ny diniky ny samy Malagasy izay vao ny fifidianana malalaka sy azo antoka ary eken’ny rehetra», hoy izy. «Samia mandini-tena hamonjena ny Malagasy», hoy ihany izy. Nambarany fa tsy matoky ny fitondrana eto Madagasikara intsony ny any ivelany satria tsy misy finiavana tokoa hirosoana amin’ny fifidianana.
Momba izay resaka fifidianana izay dia naneho ny fahavononany tamim-pomba ofisialy ny hirotsahany hofidiana ho filoham-pirenena i Marc Ravalomanana ny sabotsy teo. Esory ao an-tsaina izany hoe «ni…ni» izany, hoy izy ary tsy anjaran’ny vahiny na iza na iza no hanamboatra resaka fa an’ny Malagasy no mifidy izay ho filoham-pireneny. Firenena 2 amin’ireo 14 ao anatin’ny SADC, dia i Seychelles sy Maurice, araka ny fanazavany no naneho izany resaka «ni…ni» izany izay tsy azo eritreretina, hoy i Marc Ravalomanana izay nanamafy fa «Hirotsaka ho filoham-pirenena aho. Tsy misy fifidianana azo atao raha tsy miverina i Dada», hoy izy.
Mitovy hevitra avokoa ny firenena rehetra, hatramin’i Frantsa, hoy ihany i Marc Ravalomanana amin’izay fodiany sy firotsahany hofidiana izay. «Rehefa tafaverina dia tsy maintsy hiasa miaraka amin’ny rehetra», hoy izy. Nanome toky ny tenany fa mahafantatra ary afaka mampandroso an’i Madagasikara fa mitaky firaisankina sy fifankatiavana izany. «Tsy hamitaka anareo na oviana na oviana i Dada ary aoka ho sahy sy vonona hiatrika fifidianana isika». Nambarany fa raha ny fiverenany moa dia izy ihany no hanambara izany ary tsy tokony hanahy ireo mpomba azy fa fifanarahana politika no hahatomombana izany.
Ankoatra izay dia naneho ny fiaraha-mioriny sy fampaherezana amin’ny fianakaviana Rajoelina i Marc Ravalomanana ; teo koa ireo mpitandro ny filaminana izay lavo am-perinasa.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.