Nifanakalo hevitra tamin’ireo Solombavambahoaka lany tamin'ny anaran'ny antoko TIM sy ny birao politika i Nahafaly ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly 11 novambra.
Nandritra izany dia niarahaba ny Depiote Fetra Ralambozafimbololona lany ho Filohan'ny Vondrona parlementera TIM ny tenany ary mankasitraka an’i Depiote José Randrianantenaina nahavita ny adidiny ihany koa. Heverina fa fotoana nanomezana toromarika ara-politika ireo olom-boafidy sy lohandohan'ny mpisorona eo anivon'ny TIM. Ity antoko ity sy filohany izay maneho hatrany fa miomana hiverina eo amin'ny fahefana amin'ny fomba demokratika. Manetsika ny mpanara-dia azy toy ny Toamasina farany teo. Tsy manaiky ny endriky ny rafitra mpikarakara fifidianana, toy ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI sy HCC na ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana anefa,...
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.