Nandalo tany any amin’iny faritra Itasy iny ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly,
ka isan’izany ny tao Ampary, ny tao amin’ny tsenan’i Soavinandriana,… Naneho ny alahaleony sy ny fahasahiranany amin’izao vaninandro izao, ny olona sy ny vahoaka nandray ity Filoha teo aloha ity an-kafaliana. Faly hatrany mihaona aminareo vahoaka, mitafa amin’ny tantsaha aty amin’ity faritra ity, hoy kosa i Marc Ravalomanana. Nidina ifotony teny an-tsaha, nijery ny vokatra, nihaino ny hetaheta, nitafa nivantana, niantsena,… moa ny tenany nandritra io fotoana io. Niara-dia tamin’ity Filoha teo aloha ity nandritra ny diany ireo mpikatroka ao anatin’ny Antoko TIM notarihin’ny Sekretera Jeneraly Rina Randriamasinoro sy ireo solombavambahoaka. Ao anatin’ny fanaovana fampielezan-kevitry ny fifidianana loholona ny mpitondra amin’izao fotoana izao, fa i Marc Ravalomanana sy ny TIM ihany koa izany manomboka mirona bebe kokoa amin’ny fanantonana vahoaka eny ifotony. Ao anatin’ilay antsoina hoe “rédynamisation” na fanomezana aina vao io antoko io rahateo ny mpitarika amin’izao fotoana izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.