Politique

Marc Ravalomanana “Ndao hijoro hanavotra ny firenena”


  • Alatsinainy 04 Janoary 2021

Nambaran’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny sabotsy teo nandritra ny

 

 

 

fifampiarahabana nahatratra ny taona ho an’ny Antoko TIM sy ny mpanohitra teny Faravohitra, fa nahavita ezaka lehibe izy ireo satria afaka nampivondrona ny hery sy ny fomba fijery ho an'ny mpanohitra tamin'iny 2020 iny, na teo aza izany betsaka ny sakantsakana sy fampitahorana, ary indrindra ny fahasahiana managadra. Tsy mampihemotra antsika izany, tsy nampivarilavo antsika izany fa tena sahy isika miteny sy mamaky bantsilana ny tsy mety sy ny tsy fahaiza-mitantana ny firenena, ary tsy hihemotra mihitsy haneho izany, hoy i Marc Ravalomanana. Nahitsy izy izy nilaza fa nihemotra ny firenena tamin’ny taona 2020, ary latsaka tanteraka tao anatin’ny fahantrana ny olona. Mba tsy hilazana hoe tsy gisitra isika dia faharoan’ny farany. Nambarany, fa be loatra ny fitaka sy fampanantenana poakaty, ny tsy fahaiza-mitantana,... Tsy gaga raha mahita ny fahasarotam-piainana satria tsy mitsaha-mitotongana ny fahefa-mividy, tsy misy lanjany intsony ny Ariary mitaha ain’ny dolara sy ny Euro, izay 2400Ar teo tamin’ny fitondrany, dia efa 4000 Ar izy amin’izao fotoana izao. Nohitsiany fa tsy rariny intsony ny fakana amin’ny fomba tsy ara-dalàna ny fananan’ny hafa, fanakatonana tsy ara-drariny ny fiveloman’ny sasany, fandrodanana ireo toeram-pivarotana mba fidiram-bolany,... Fotoana hanjakan’ny mpanefoefo sy mpandraharaha vahiny izao satria isika ato anatiny mifamotika, hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. In-telo aho no nihaona tamin’i Nelson Mandela tany Afrika Atsimo, fa ny teniny tamiko dia ny hoe mila tandremana tsara, fa izay mahasoa ny andavanandron’ny mponina no jerena, ary aorian’izay ny fandehanana lavidavitra kokoa. Izay no isan’ny nampandroso an’i Afrika Atsimo, ary manaraka politika ny sokajin’olona rehetra.

“TSY HANAIKY FAMETRAHANA NY JADONA ISIKA”

 Hajanontsika amin'izany ve ity firenena ity? Miantso ny rehetra hamondrona hery ny Filoha teo aloha. Tonga ny fotoana hitsanganana hanavotana ny firenena latsaka an-katerena, ary vonona ny amin'izany aho, tsy havelantsika hijaly ny vahoaka Malagasy. Tsy hanaiky isika, ary tsy hangina raha mbola izao no hanaovana ny Malagasy. Sahy aho, tsy mandeha irery aho, fantatro ny any ivelany, fantatro ny fifampiresahako amin’ny any, ary ireo dia mamporisika ny famondronan-kery fa tsy hisamatsamahan’ny mpanohitra ahafahantsika mandresy lahatra amin’ny hanampiana an’i Madagasikara, hoy izy. Tsy hanaiky ny hanaovan’ny mpitondra “slogan” fotsiny hoe “tany tan-dalàna”, kanefa izy ireo no mpanitsakitsaka ny lalàna sy ny lalàmpanorenana. Ilaina ny fahasahiana mamaky bantsilana ny fandikan-dalàna, fanilikilihana ny madinika, ary tsy hanaiky ny fametrahana ny didy jadona eto Madagasikara isika? Na ho lasanareo daholo aza ny andrim-panjakana rehetra dia mandiniha ianareo tena. Tsy misy maharesy sy mahatohitra hetsi-bahoaka izany na aiza na aiza na rahoviana na rahoviana. Tsy mbola nisy teto ambonin’ny tany nahasakana herim-bahoaka izany, ary sahy milaza aminareo aho, fa ianareo minia tsy mihaino io, minia tsy mahalala ny fitarainan’ny vahoaka sy ny zava-manjo io, dia anareo ny anareo, hoy i Marc Ravalomanana.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT