Niara-niombom-bavaka tamin’ny mpino tao amin’ny FJKM Soavinandriana ny
Filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly alahady 29 novambra noho ny fanasana azy hanatrika ny fankalazana ny faha-150 taona. Vao nivoaka ny fiangonana dia efa rakotra mpitandro filaminana notarihin’ny Lehiben’ny Distrika sy ny Manamboninahitry ny zandarimaria teo ivelany. “Toe-javatra mampalahelo no nitranga teto Soavinandriana Itasy satria dia mpitandro filaminana maro sy tompon'andraikim-panjakana no nirongorongo hatreny an-tokotanim-piangonana raha nahafantatra fa niombom-bavaka tamin'ny mpino tao an-toerana aho”, hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nobahanana avy hatrany ny làlana. Rehefa nanontaniana ny antony dia tsy tena mazava, fa toa karazana fandrahonana tsy hihaonana amin’ny vahoaka sao manana eritreritra an’izany. Nomena baiko avy hatrany hamonjy ny toeram-ponenany mantsy ny Filoha teo aloha. Fanararaotam-pahefana sy fanitsakitsahana lalàmpanorenana ary ny zon’ny olom-pirenena iray afaka hivezivezy eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny zava-nisy, hoy ny ankolafin’ny lasibatra. Manana ny tombondahy sy zo manokana amin’ny maha Filohan’ny Repoblika azy teo aloha ihany koa i Marc Ravalomanana, saingy ninian’ny Lehiben’ny distrika sy ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena tsy noraharahiana, hoy ny fanazavana. Tsy hitondra soa velively ho an’ny fitondrana ny fanohintohinana sy fanakantsakanana ny zo sy fahalalahan’ny olom-pirenana Malagasy. Vao mainka fahafaham-baraka ho an’ny mpitondra satria ny olana ara-tsosialy sy toekarana tsy hita izay hatokana, kanefa mbola i Marc Ravalomanana no apetraka ho olana manokana sy anton-draharaha ny manenjika azy. Midika io, fa matahotra mafy an’i Marc Ravalomanana ny Fitondrana, hany ka hilana kisa sy hanaovana don-tandro andro aman’alina.
TSY LEVON’NY VAVONIN’NY MPITONDRA
Nirona bebe kokoa tamin’ny fidinana ifotony sy fihainoana ny olan’ny vahoaka. Tsiroanomandidy, Ankadinondry Sakay, Antanambao Ambohomahavelona,… no isan’ny toerana notsidihin’i Marc Ravalomanana, izay saika rakotra vahoaka avokoa, hany ka manomboka tsy mahatombon-tsiraka ny mpitondrana. Mihaona sy miresaka amin’ny tantsaha, mitakosona, mitondra torohevitra, miantsena, mitafa,… hany ka liana sy faly hatrany ny olona, izay mitaraina aminy noho ny olana samihafa mahazo. Nahavory vahoaka maro be izy ny faran’ny herinandro teo. Tsy levon’ny vavonin’ny mpitondra ireny ka dia mandeha ny don-tandroka sy filam-baniny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.