“Faly nandray an' Andriamatoa Tobias Glucksman, Chargé d'affaires Amerikanina ny tenako androany alarobia 21 jolay tolakandro.
Nifanakalo hevitra mikasika ny toe-draharaha politika, sosialy, ekonomika, ary ara-pahasalamana”, hoy ny fampitam-baovaon’Atoa Marc Ravalomanana tao amin’ny pejy ofisialiny omaly. Misy dikany sy lanjany lehibe eo amin’ny tontolon’ny Diplaomasia izany Filoha teo aloha antonin’ny diplaomatin’ny firenena matanjaka izany. Endrika iray toa maneho hatrany fa na tsy eo amin’ny fitondrana intsony aza i Marc Ravalomanana, dia mbola mipetraka ho isan’ireo olona tsy azo ihodivirana vao miresaka Madagasikara sy ny fifandraisany amin’ny iraisam-pirenena, ka hakana hevitra momba ny mety ho fanapahan-kevitra mikasika manokana an’i Madagasikara, na koa ahafahan’ny diplaomaty vahiny manao tatitra. Elaela tsy re teo amin’ny tontolon’ny haino aman-jery ny tenany, ary mipoitra indray. Toa somary nangingina ihany koa aza ny resaka fanakanana sy fandefasana mpitandro filaminana hisakana sy hanakana any amin’izay alehany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.