Nanoratra taratasy miantefa amin’ny Tale Jeneralin’ny OMS na ny Sampan-draharahan'ny firenena mikambana momba ny fahasalamana Dr Tedros Adhanom Ghebreyesus ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny 21 aprily teo, manoloana ny raharaha tambavy covid organics.
Nomena dika mitovy amin’io ny solontena maharitry ny OMS eto Madagasikara Charlotte Faty Ndyae. Manahy aho manoloana ny filazan’ny fanjakana ny fahitana ny fanafody tamin’ny alalan’ny zava-maniry Artemisia ambara fa mandresy ny covid-19, ny fanapariahana amin’ny fomba avo lenta, kanefa mbola anatin’ny andrana ara-pitsaboana (observation Clinique) izay midika fa mbola tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny manam-pahefana ara-pitsaboana na ara-tsiantifika, ary indrindra ny tena mampatahotra dia ny fanerena ny zaza Malagasy any an-tsekoly hisotro izany, hoy i Marc Ravalomanana. Mizara ihany koa ny fomba fijerin’ireo dokotera, mpikaroka, mpampianatra mpikaraka eny amin’ny Oniverite eto Madagasikara noho ny tsy fisian’ny porofo ara-tsiantifika momba ny fahombiazan’io ambara fa fanafody antsoina hoe “covid organics” io aho, hoy izy. Nambarany fa tokony hanaraka fenitra ara-tsiantifika ara-dalàna ny andrana amin’io fanafody io, fa tsy sanatria atao “cobaye” ny zaza Malagasy ary tsy misy alalana avy amin’ny ray aman-dreniny akory, hoy ny taratasin’i Marc Ravalomanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.