Politique

Marc Ravalomanana Nanao valin-kafatra


  • Alatsinainy 06 Desambra 2010

Niditra nivantana tamin’ny antso an-tariby tao amin’ny Magro Tanjombato ny filoha Marc Ravalomanana ny tolakandron’ny sabotsy 04 desambra teo, nankahery ireo mpiara-dia aminy sy ny ao amin’ny Ankolafy Telo.

Tamin’izany koa no nanamafisany fa tsy mijanona ny tolona hamerenana ny ara-dalàna eto Madagasikara ary tsy hanaiky lembenana na inona fampitahorana sy fanenjehana. Noderainy manokana tamin’izany ny finiavana sy ny risi-po ananan’ireo olona tonga tsy tapaka amin’ny hetsika ataon’ny ankolafy telo, izay nilazany fa fanehoam-pitiavana ny firenena izany, ka nanentanany ny hafa ho avy hanatevin-daharana. Tsy maintsy mijoro isika, hoy izy ary mila manana faharetana. Nambarany fa na any ampitan-dranomasina aza izy dia tsy mandry andro tsy mandry alina mihevitra izay mahasoa ny vahoaka Malagasy rehetra, fa “tsy tahaka ny ataon’ny hafa misandoka ny anaran’ny antoko sy ny mpitondra ankehitriny izay tsy mikatsaka afa tsy ny tombontsoany”, toa karazana tsindrom-paingotra sy valin-kafatra ihany amin’ireo elatra Tiako I Madagasikara nanao fanambarana tao amin’ny Carlton ny zoma 03 desambra teo. Isika dia mitaky ny ara-dalàna

Nankahery ireo vadi miaramila migadra any Tsiafahy sy ny vady aman-janak’ireo rehetra nogadraina tsy amin’ny antony ihany koa ny tenany, ary nampanantena ny hijery akaiky sy hanampy azy ireny. Tamin’izay no nanaovany antso miantefa amin’ny Vondrona SADC sy ny Firaisambe Afrikanina ary firenen-drehetra eran’izao tontolo izao mba handray andraikitra fa mijaly ny vahoaka amin’ny afitsok’izao fitondrana tsy ara-dalàna izao. Mandra-piandry izany dia nanamafy ny tenany fa tsy hanaiky lembenana, ary nohamafisiny fa “tsy hisy filaminana raha tsy tafaverina aty i Dada”.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT