Politique

Marc Ravalomanana Misy mersenera vahiny manara-maso?


  • Alakamisy 24 Jona 2021

Taorian’ny fandefasana zandary hanao andrimaso tetsy amin’ny toeram-ponenan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, dia misy indray ireo teratany vahiny misy Malagasy mitarika voalaza fa nihaodihaody teny Faravohitra.

 Fifandrifian-javatra no antom-pisian’izy ireo teny sa antony hafa mety hisy hifandraisana amin’ny politika? Mety ho mersenera ve sanatrian’ny vava? Miteraka ahiahy foana ny toe-javatra tahaka izany. Niainga tany amin’ny hoe asiana zandary manara-maso, arahina any amin’izay rehetra aleha, sakanana eny amin’ny làlam-pirenena,… Fifandrifian-javatra ihany koa ve ny nisiana masoivoho vahiny diplaomaty niray làlana tamin’i Marc Ravalomanana teny amin’ny RN2 ny 9 jona teo anatrehan’ny karazana fanenjehana mivantana na an-kolaka an’ity Filoha teo aloha ity ? Fa rehefa tsy ny fiara 4X4 ve dia misy olona hita mihaodihaody indray eny amin’ny fonenan' ny filohan’ny mpanohitra Marc Ravalomanana?, hoy ny fanontaniana napetraky ny haino aman-jery iray izay akaiky ity filohan’ny RMDM ity, izay sady nampiseho ny sarin’ireto olona heverina ho hafahafa nihaodihaody azo sarin’ny “camera de surveillance” teny Faravohitra ireto. Loharanom-baovao iray no nahafantarana fa tazana nanatrika fivoriana notontosaina olona ambony iray sy mpanao politika iray ary mpandraharaha goavana miisa 2 eto amin’ny firenena tao amina hotely goavana iray eto an-drenivohitra ireto olona hita ho nihaodihaody teny Faravohitra omaly ireto. Ary ny tena maha lasa fisainana ny mpanara-baovao dia ny hoe : moa ve ny fitondram-panjakana no tompon-kevitra amin’ity karazana fanaraha-maso miendrika don-tandroka atao amin’i Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany ity sa olona na vondron’olona hafa ?
Toky R sy J Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT