« Tonga niondrika am-panajàna manoloana ny nofo mangatsiakan’ny Filoha Didier Ratsiraka ny tenako sy ireo mpiara-dia amiko
ato amin'ny RMDM sy ny antoko politika TIM. Ny Filoha Didier Ratsiraka dia mijanona ao anatin'ity tantara an'ity firenentsika ity ho Rain'ny Repoblika faharoa". Amin'ny maha Filoham-pirenena ahy teo aloha ihany koa dia tsapako loatra ny vesatry ny adidy sy ny fitiavan-tanindrazana nipetraka tao anatiny nentiny nikatsahana ny soa ho an'ny firenena. Na tsy mitovy aza ny firehan- kevitra dia ny fitiavana ny Nosintsika Madagasikara no niarahana. Mbola mamerina ny teny fampiononana ho an'ny fianakaviana rehetra sy ny antoko politika Arema ary ny vahoaka Malagasy ny tenako. Hombantsika mandrakariva Andriamanitra », hoy ny Filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana teo anatrehan’ny fahalasan’ny Filoha teo aloha Amiraly Didier Ratsiraka. Ny takarivan’ny alahady teo no tonga naneho fiaraha-miory sy nitondra ny teny fampiononana ho an’ny fianakaviany manontolo. Misy ny hevitra tsy mitovy indraindray, kanefa Raimandreny ny filoha Ratsiraka ary tena namana ka miaramiombon’alahelo aminareo fianakaviana ny tenako, hoy i Marc Ravalomanana izay vonton’alahelo sy latsa-dranomaso.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.