Politique

Marc Ravalomanana “Mihavana vao fifidianana”


  • Alakamisy 09 Desambra 2010

Nanamarika ny andron’ny alarobia 08 desambra ny hetsika ankalamanjana ataon’ny Ankolafy Telo tao amin’ny kianja monisipaly Alarobia.

Voalohany io tato anatin’ny iray volana, taorian’ireny raharaha Malacam ireny, nahafahan’ity vondron’ny mpanohitra ity naneho hevitra ankalalahana indray rehefa nohazain’ny FAT sy nampidiriny am-ponja ireo mpitarika sasany, dia i Fetison Rakoto Andrianirina sy Zafilahy Stanislas avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana miampy an’ny pastera Tsarahame Edouard avy amin’ny ankolafy Zafy. Tonga maro ny mpiara-dia amin’izy ireo na tsy nahafeno kianja aza, satria hita ho mbola manaloka amin’ny Malagasy maro ny hery famoretan’ny FAT. Vory maro nifanotrona koa ireo mpanao politika, indrindra ny avy amin’ny Ankolafy Zafy sy Ravalomanana. Ireo nifandimby nandray fitenenana dia samy niray feo ny tsy fankatoavana ary nihevitra ho toy ny tsy misy ny referandaoma nokarakarain’ny FAT samirery ny 17 novambra 2010 iny. Niray feo koa izy ireo nitaky ny famoahana tsy misy fepetra ireo gadra politika, indrindra ireo mpitarika notanana nanomboka ny 12 novambra 2010, taorian’ny nanakanan’ny FAT ny fanehoan-kevitra tokony hataon’ny Ankolafy Telo tao amin’ny Malacam iny.

Fa nanamarika ny fotoana ny fidirana an-tariby mivantana nataon’ny filoha Marc Ravalomanana nanehoany hevitra mikasika ny raharaham-pirenena sy nitondrany fanazavana mikasika ny raharaha anatin’ny antoko misy azy, dia ny Tiako i Madagasikara, na ankolaka ihany aza no nanaovany ity farany. Izy rahateo no namarana ny mpandaha-teny io omaly io. Nandritra izany no nilazany fa ny fifampiresahana ihany no hahitana vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao. Nambarany fa mikaro-kevitra sy mikaro-dalana ny hisian’izay fifanatonana izay indray ny tenany amin’izao fotoana. Na inona zavatra niseho taloha, hoy ny filoha Ravalomanana dia tsy maintsy mifanatona dia miresaka, fa tsy misy mahavita irery io fitondrana io. Nambarany fa ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia tsy manaiky fanapahan-kevitra taritokana.
 
Tsy vahaolana koa ny fanagadrana na fanapenam-bava fa avelao ny olona hiteny malalaka araka ny nambarany ihany. Nohamafisin’ny filoha Ravalomanana fa fifampiresahana ihany no antony ary isika samy Malagasy aloha no mifampiresaka. Anjarantsika koa no mifamela sy mifampihavana, hoy izy. Manoloana ny zava-mitranga eo anivon’ny antoko Tiako i Madagasikara izay misy misandoka anarana ka maka ny antoko ary miezaka mampisara-bazana dia teny fampieritreretana no nataony ka nilazany ny tokony hitandrovana hatrany ny fihavanana. Mikasika ny referandaoma indray dia hevero ho toy ny tsy misy iny, ary ireo izay mankato izany dia ny tantara no aoka hitsara. Mihavana aloha isika vao fifidianana, hoy izy.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT